Edito

LOZA


  • Alatsinainy 09 Novambra 2015

Tsy mampandre mialoha ny loza, efa tara loatra anefa rehefa mitranga izy. Aleo misoroka toy izay mitsabo, hoy isika Malagasy,

 


 ka izay no hisintonana ny sain’ny rehetra fa tena misesy loatra ireo lozam-pifamoivoizana mahatsiravina, amoizana ain’olona sy manimba fananana nitranga tato ho ato izay. Sambo manao taingim-be, rendrika na mitsimbadika rehefa avy eo, olona mitondra zaza sy ankizy amin’ny moto, sady tsy manao aroloha no mbola mandeha mafy sy mety tsy mahafehy tsara ny familiana. Eo ihany koa ny mety tsy fahafantarana tsara ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Olona mamo tampona mitondra fiara ka manafangaro ny olona amin’ny omby miampita arabe. Taksibe mifanenjika kanefa ratsy hisatra na « frein »…Ampahany ihany ireo fa maro be ny azo ambara momba ity fandikan-dalàna sy tsy fahamailoana amin’ny sehatry ny fifamoivoizana eto amintsika ity. Raha toa ka mitaredretra amin’ny fampiharana ny lalàna ny fanjakana, dia afaka mitandrina kosa ny tsirairay fa tsy efa idiran-doza vao mifanome tsiny na miantso fanjakana. Tsy tahotry ny polisy na ny handoavam-bola sazy no tsy maintsy hametrahana ny « ceinture de securité » amin’ny fiara sy tsy hanaovana aroloha rehefa mitondra moto fa fisorohana ny fahavoazam-be mety hitranga raha misy loza. Mila mahay mifehy tena sy manara-dalàna ny tsirairay fa tsy miandry fandrahonana sy fampitandremana foana, tsy misy fiarahamonina mandroso sy miha tsara izany raha miaina ao anatin’ny gaboraraka sy ny fitiavan-tena, tsy maintsy mirindra ny zavatra atao rehetra. Izany anie no nametrahana ny fitsipika sy ny lalàna fa tsy hoe hanasaziana ireo mafy loha fotsiny e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT