Edito

Lovatarazo!


  • Alakamisy 31 Martsa 2022

Misy hono ny atao hoe “Lovataranaka”, izany hoe lova avy amin’ireo razambe fikambanana nisy tany aloha ho an’ny taranany fa misy kosa ny atao hoe “Lovatarazo”

 izay entina ilazana ireo lova tsy mahasoa na tsy mitondra soa rehetra kanefa dia misy taranaka mandimby izany aty aoriana. Mety aretina io. Mety fomba ratsy ary vao maheno izany hoe “tarazo” izany moa na iza na iza rehefa Malagasy dia mby ao an-tsaina avy hatrany ny resaka tsy fihetsehana zavatra na tranga iray tsy mahasoa ny fiarahamonina. “Mitarazoka”, hoy isika. Tsikaritra fa lovatarazo tsy mety tafala amin’izao fitondrana izao ankehitriny ny fanomezan-tsiny hatrany ny teo alohany rehetra na dia efa nisy fotoana aza ny mpitarika nilaza hoe “tsy fotoanan’ny fifanomezan-tsiny intsony izao.”. Tsiahivina hatrany fa ny taona 2007 tany ho any, fony nikabary voalohany ho an’ny vahoakan’Antananarivo teo Antsahamanitra ny ben’ny tanana vaovao tamin’izany, fony izy mbola nantsoin’ny mpankafy hoe Andry TGV, dia nanakiana an-kolaka avy hatrany ny ben’ny tanana teo alohany, Lalao Ravalomanana, tamin’ny alalan’ny filazana hoe “nandova trosa isika.” Toy ny miteny an-kolaka izany hoe “aza dia omena tsiny loatra re aho raha tsy dia mahavita na inona na inona eto amin’ity tanana ity fa nandova trosa anie e!”. Lasa filoham-pirenena izy ity. Inona moa no nolazainy voalohany raha mbola tsy nandray fahefana akory fa mbola tanaty praopagandy mihitsy aza? Ho vitaintsika anatin’ny 5 taona, hoy izy, ny tsy vitan’ny teo aloha tao anatin’ny 60 taona. Toy ireny tsy nisy nahavita na inona na inona ireny mihitsy izany ny teo aloha rehetra tao anatin’ny 60 taona aminy. Samy mitsara ny rehetra amin’izao fotoana izao. Nanao ahoana aloha ny 3 taona sy tapany? Miaina fahasahiranana lalina mbola tsy hitany tao anatin’ny 60 taona tokoa amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Ny Coronavirus indray no nomena tsiny. Dia iaraha-mahita indray izao io fa miverina ao amin’ny fiadiadiana ny tananan’Antananarivo ilay lova. Hatramin’ny filoham-pirenena teo aloha izay efa nitantana ny tananan’Antananarivo hatrany amin’ny nialohan’ny taona 2001 no mbola omena tsiny aty amin’ny taona 2022, 21 taona aty aoriana. Miverina “zero” ny saina, hoy ilay fiteny izay, manontany tena sisa hoe fampandrosoana ve ilay heverin’ireto hatao eto sa mbola hanao “tsy mbo za” araka ilay hiran’ny tarika Rossy efa ela? Lovatarazo!
J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT