Edito

Lova tarazo


  • Sabotsy 13 Mey 2017

Lova tarazo, tsy mba mihatsara fa miha simba sy manimba ny raharaham-pirenena ankehitriny.

Efa ampoizina foana ny zavatra hitranga ary tsy mety mitondra fahasoavana fa vao mainka aza mandoto ny fon’ireo mpitazana sy mandrisika azy ireo tsy handray andraikitra fa himenomenona fotsiny. Miverimberina ny tantara ary miha ratsy ny fiafarany. Tsotra ny antony, tsy misy mety mandray lesona tamin’ny tsy nety tamin’ny lasa ny mpanao politika sy ny mpitondra ary na ny tanora izay antenaina hanankinana ny hoavin’ny firenena aza efa beazina ho very arofanina (repère). Iza moa ny tsy nahafantatra fa nisy lesoka ny fitondrana nifandimby ? Ary raha asaina hitanisa sombiny aza angamba dia mety ahatafavoaka am-polony maro mihitsy saingy mijanona hatreo foana aloha hatreto. Taorian’ny 01 mey no efa novinaina fa tsy maintsy misy hikasa hidina an-dalambe anio ary dia inona moa fa tsy izay tokoa ! Ny fanafodiny hitan’ny fitondram-panjakana dia ny fampiasana hery famoretana e ! Dia izay fiverimberenana tsy hitondra mankaiza izay foana izany no hiainana eto. Asa ! Rahoviana vao ho leo !

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT