Taorian’ny fahalanian’ny ENY tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka dia andrasana fatratra ny fanovana ny mpikambana ao amin’ny governemanta, satria izay no lôjika politika tsy maintsy arahan’ny fitondrana tetezamita. Mety ho amin’io herinandro ambony io no harafitra izany governemanta izany, ary azo antoka fa makadiry ny fanovana satria tsy maintsy ho tanterahana ny voasoratra tao amin’ilay fifanarahana politika nosoniavina teny Ivato, ary mbola nohamafisin’ny fehin-kevitry ny fihaonambem-pirenena. Raha ny tena marina dia efa nivadika pejy vaovao ny tantaran’i Madagasikara satria efa natao veloma tamin’ny 17 novambra teo izany ny Repoblika faha-3, ao anatin’ny Repoblika faha-4 isika amin’izao fotoana.
Ka araka ny voalazan’ny andininy faha-166 ao amin’ny lalàmpanorenana dia ny filohan’ny fitondrana tetezamita, izany hoe Atoa Andry Rajoelina no filoham-pirenena mandra-pipetraky ny rafitra rehetra, dia tahaka izany ihany koa ireo andrim-panjakana efa natsangana tahaka ny CT sy ny CST izay misolo ny Parlemanta. Raha ny lôjika indray no arahana dia tokony ho ny fifidianana filoham-pirenena avy hatrany no tanterahana manaraka, satria tahaka ny hafahafa ihany izany hoe Repoblika vaovao tarihana olona tsy voafidim-bahoaka izany. Efa mazava rahateo ny fomba fitenenana, hoe ny biby tsy misy lohany tsy mandeha. Noho ny tetikady politika anefa dia mety ho ny fifidianana Ben’ny tanàna, na ny fifidianana solombavambahoaka indray no hatao manaraka, dia miray feo moa amin’io safidy tsy dia manaraka ny lôjika io ireo mpanohana ny FAT ka milaza fa izay no mety, satria efa fotoanan’ny fanovana (hono) izao.
Dia aroso izao fanohanan-kevitra rehetra izao hanaporofoana fa rariny sy hitsiny raha any amin’ny farany indrindra vao hotanterahana ny fifidianana filoham-pirenena. Dia ambara ao anatin’izany rehetra izany fa ny vahoaka no tompon’ny teny farany, ary izy no misafidy izay hitarika azy, koa tsy lôjika ary ve raha tanterahana haingana ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblika faha-4, ny vola hikarakarana fifidianana rahateo efa vonona. Raha ny resaka hoe hiditra ao anatin’ny vanimpotoanan’ny orana isika izao, dia maro ny fanamboarana sy fifandaminana azo atao, fa tsy izany akory no tokony ho sakana. Tsy ho sarotra mihitsy ny hamerina ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany raha voafidy sy tafapetraka amin’ny toerany soa aman-tsara ny filoha vaovao; fa raha mbola i Andry Rajoelina voasokajy ho nitarika fanonganam-panjakana no mbola mitantana ny firenena dia tsy hisy mihitsy ny fankatoavan’ny sehatra iraisam-pirenena, ka hitombo ny fahasahiranana noho ny fahatapahan’ny famatsiam-bola. Iaraha-mahalala moa fa somary hafahafa izay ihany ny lôjika politikan’ny FAT ka ho sarotra ny haminavina izay mety hitranga rahampitso sy amin’ny herinandro, ary ny atahoran’ny maro dia ny hoe : sao dia mbola tetezamita indray no handaniantsika ny taona 2011 ka hitombo ny tsy an’asa ary hihamafy ny vidim-piainana ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.