Edito

Lohany fotsiny !


  • Talata 18 Oktobra 2016

Hanomboka anio dia i Madagasikara indray no ho lohany eo amin’ny fitantanana ny vondrona Comesa. Ho an’ny firenen-kafa dia voninahitra ny lohany.


 Ho antsika dia henatra aloha hatreto raha ny momba azy ity. Ny anarana maha lohany no ananantsika fa mbola mitana ny rambony isika eo amin’ny lafiny rehetra noho ny afitsoky ny mpitondra. Mifototra betsaka amin’ny resaka tsena sy fanondranan’ entana ny Comesa saingy tsy misy afa tsy 3% no mba fanondranana ataon’i Madagasikara amin’izany.  Any amin’ny anaram-boninahitra no maha maika ny mpitondra fa tsy any amin’ny asa ka zary anarana maneso ilay hoe “lohany” ho antsika. Raha tena fikatsahana ny hampiakatra ny harin-karena no tanjona dia any amin’ny fampandrosoana ny indostria aloha no tokony himasoana vao manao izany fitantanana ny Comesa izany. Tsy misy anefa paikadim-pirenena mazava hampandrosoana io indostria io eto Madagasikara satria ny mpandraharaha indray aza no volosana amin’ny ny haba sy hetra mihoapampana kanefa ny jiro hampandehanana ny orinasa aza tapaka lava. Miady ho lohany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny mpitondra Malagasy kanefa ny firenena aza tsy voafehy ka hantsoin’ny olona hoe “lohany fotsiny” eto isika raha izao zava-misy izao no dinihina.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT