Edito

Loham-boto mianakavy


  • Alatsinainy 03 Jolay 2017

Mafotaka indray ny resaka horonam-peo momba ilay mpanolotsain’ny filoham-pirenena, izay nilaza azy ho henjana sy tsy azo kitikitihina.

Voaporofo ny loham-boto fanaon’ny fitondrana HVM. Mbola hinia hanadio tena sy hilaza ihany ve fa mampanjaka ny tany tan-dalàna ? Porofon’ny fanjakana loham-boto eto amin’ny firenena sy ny fitondran-tena ho ambonin’ny lalàna ireny, ary vao ampahany ihany fa mbola maro ny mety ho ratsy lavitra noho ireny satria ny ankamaroany no efa malaza ratsy. Mbola vao ny mpanolotsain’ny filoham-pirenena aza dia efa ireny ny santionany, mainka fa ny hafa. Ireny no misy saingy ny mahagaga dia tsy mba taitra intsony ny vahoaka fa dia mihaino sy mijery ary mingonongonona lava fotsiny amin’ny hoe efa tena tsy rariny intsony, efa fanaovana tsinontsinona ny valala tsy mandady harona … Mbola izay ihany anefa no hiseho sy hitohy eto raha mbola hanaiky hovidian’ny olona sy hanaiky hatao hodomina tapany handoa erany lava eto isika mianakavy. Sao dia tsy any amin’ilay mingonongonona intsony no himasoana fa any amin’ny fahatongavan-tsaina sy fandraisana fanapahan-kevitra handrodana ny fanjakana tsimatimanota amin’ny lafiny maro ? Antomotra rahateo ny fifidianana, izay adidy amin’ny firenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT