Edito

Lohalik'alika...


  • Talata 11 Janoary 2022

Sambany teo amin'ny tantara no tsy afaka misitraka ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika eo amin'ny taranja baolina kitra na ny "CAN" izany isika eto Madagasikara.

 Na nahantra na sahirana na teo ho eo ihany, eny na inona na inona niseho teto amin'ny Firenena dia afaka nisitraka an'izany. Amin'izao andron'ity fitondrana tompondakan'ny fatikambo ity indray vao tsy misy. Asa handeha indray angamba ny mody hoe: noho ny ezaky ny Fanjakana dia afaka hisitraka ny sary manomboka amin'ny ampahavalon-dalana na ampahefa-dalana isika ? Ny tena zava-doza, mbola mampiteny ny moana ny delestazy lavareny, ary rehefa tsy afaka misitraka sary amin'ny TVM ka mba mahavidy ireo tolotra hafa dia ny delestazy indray no fositra. Efa mihoatra ny isan'ny rantsan-tanana iray ny isan'ny ora fahatapahana. Ny kisehoseho ivelany mipoapoaka hoe: ny Filoham-pirenana mihitsy no nidina tany Andekaleka omaly : nampanantena, nitanisa olana,... Leo ny olona satria vahaolana haingana no ilainy fa tsy fitanisana olana. Tsy arakaraka ilay toe-javatra hafahafa hoe: telo andro taorian'ny firehetana dia nisy fitaovana 17 kaontenera nipoitra tampoka. Tsy ny fisian'ny fitaovana no ratsy fa ny fitantanana tsy ampy fangaraharana. Mahakivy sy mahaketraka ny filazana fa afaka 7 na 8 volana no hivaha tanteraka ny olana. Dia mbola mbola mahagaga hatrany hoe: nahoana no rehefa hanao kirendrarendra no manam-bola avy hatrany na mahita trosa avy hatrany fa amin'ny famahana ity olam-bahoaka ity mihisatrisatra sady toa hafa no lazaina anio ary hafa ny rahampitso. Lazaina fa mila 5 taona ny famahana delestazy, avy eo indray hoe hanampy milina ka ho afaka 8 volana dia ho foana io,... Tsy fantatra intsony, fa ny hita aloha dia ezahina japiana hoentina hampalazana tena izao rehetra izao. Kivy sy torovana ny Malagasy satria fitantanana miainga amin'izay zava-miseho eny am-pandehanana no misy eto, fa tsisy sori-dalana sy tanjona mazava. Toa Fanjakana tsisy tanjona, befamaritra fa tsy hita izay tena vokatra indraindra fa ara-toekarena. Toa tsy ambony tsy ambany ohatran'ny lohalik'alika, ary tsy velon-kantenaina, kanefa tsy maty hafoy, araka fomba fiteny. Tena ny vahoaka no tokony hahay haka lesona, fa raha mbola izao no mitohy dia hihinanana ny tadin-kirarony eto ny Malagasy. Efa tokony nampisokatra ny sain'ny rehetra izay hita izay ka tsy ho sodokan'ny zavatra kely tsy mahavita taona sy fampanantenana poak'aty lava.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT