Lasa resabe eto amin’ny firenena ny fihetsika mamohehatra nataona mpitandro ny filaminana vitsivitsy teto amin’ny firenena toy ny teny Anosipatrana sy ilay tany Antsirabe izay toa manome endrika ratsy ny mpitandro filaminana iray manontolo.
Tena mbola olana anefa ny fanadiovana ataon’ny fanjakana sy ny vondrona misy azy ireny na dia hita izao aza fa efa tsy mety ny atao. Dia sanatria ve izy ireo no ho lasa fitaratra ratsy eo anivon’ny fiarahamonina izay lasa mivaona tanteraka? Ny tandroka aron’ny vozona ankehitriny no ho lasa fitaovana hanonto ny vahoaka. Iaraha-mahita ny fisian’ireo mpitandro ny filaminana tsy manoa randrana ka zary anaran-tsy maty sisa ilay anarana fa ny atao dia efa mifanohitra tanteraka amin’izany. Fotoana izao hanarenana ny lesoka ka hampiharana marina ny lalàna velona ho an’ny rehetra fa tsy sanatria natao hamoretana ny madinika toy ny misy ankehitriny. Ny fanjakana sy ny ambaratongam-pahefana rehetra ao anatiny toy ny fitsarana, ny mpanatanteraka, ny antenimiera, ny tafika… dia tompon’andraikitra feno amin’izao olana mianjady izao ka tokony hiara-kisalahy amin’ny fampanjakana ny rariny sy ny hitsiny mba hidirana amin’ny tany tan-dalàna fa tsy fanjakam-boalavo samy manao izay danin’ny kibony toy ny misy ankehitriny.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.