Edito

Lesona ny faharesena


  • Alakamisy 03 Jolay 2014

Lesona ny faharesena Mazava izao fa tena mbola maivana isika raha oharina amin’ireo firenena Afrikanina eo amin’ny resaka fanatanjahantena amin’ny ankapobeny, atletisma, baolina kitra, rugby. Tsy mbola afa-bela amin’ny Afrikanina isika, mbola mila miezaka manamafy hatrany ny fahaizana sy ny traikefa, manova tanteraka ihany koa ny toe-tsaina sy fomba fiasa satria misy akony goavana any amin’ny lalao atao io ............

Nitsotra ny mpanazatra ny XV  Makis  omaly fa ireo zandry kely no ampianarina sy hofanina raha te hahazo vokatra tsara isika. Aleo tsorina eto ny resaka fa raha ireny zava-nitranga tao Mahamasina ireny no heverina dia tsy mbola ho ato anatin’ny 5 taona mihitsy no ho tompondakan’i Afrika sy handray anjara amin’ny fiadiana ny amboara erantany amin’ny taranja Rugby isika Malagasy e ! Tsikaritra mantsy fa toa mora kivy, tsy ampy fahavononana hiarina amin’ny faharesena na ny mpilalao na ny mpanazatra na ny mpijery. Vao resy isika dia mionona na dia mbola mety misy ampaham-potoana amadihana ny rasa ihany aza. Mafana fo am-boalohany Ramalagasy fa rehefa tena raikitra ny ady dia samy mody fanina sy mipiripirina daholo. Mila fandinihan-tena lalina avy amin’ny tsirairay izy io dia ny mpitantana, ny mpilalao, ny mpanohana fa tsy hoe hailika any amin-dRakoto na Rabe irery fotsiny ny rihatra.  Tsy vitan’ny fihetsiketsehana ivelany na fanorenana kianja manara-penitra ny resaka, fa tena asa be isan’andro io. Matoa ny olona matanjaka sy mahavita azy dia nianatra, nandalina ary nikotrana izy, efa fantatra fa kely ara-batana isika dia mila miketrika zavatra hafa hampisongadinana ny tena izany fa tsy mionona amin’ny hoe kely na madinika dia izay no vita. Vitan’ny olona ve tsy ho vitantsika, fa kosa mitaky fihezahana sy fandalinana io. Fotoana izao hamahana amin’izay ny olana fa tsy takotakonana amin’ny vahaolana vonjy tavanandro fotsiny ilay izy. Raisina ho lesona hiatrehana ny ho avy ny faharesena ary handrafetana ny paikady manaraka indray, ny fahaiza-mandamina no enti-miady e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT