Edito

Lesona miharihary


  • Alakamisy 22 Septambra 2022

Fanehoan-kevitry ny mpanao politika sy mpandinika maro rehefa miresaka fiainam-pirenena, indrindra, tato ho ato, ny hoe mila mahay maka lesona isika na koa hoe tsy mahay maka lesona isika.

Naverimberina hatrany ny hoe efa niainana teto ny 1972, 1991, 2002, 2009 ary mbola saika ratsy ihany koa ny taona 2018 raha sanatria diso fanapahan-kevitra teo ny filoham-pirenena am-perinasa tamin’ireny. Lesona miharihary be toy ny masoandro miposaka avy any atsinanana ireny kanefa ankehitriny ny lalan-kizoran’ireo mpisehatra politika eto amin’ny firenena dia mbola mitady ho fanabeazam-boho ny hetsika tsy nitondra fahafahana ho an’ny firenena toy ireny ihany. Eo dia mbola mifampiziriziry eo ihany nefa efa mikatso isak’izay mihetsika ity rehetra ity. Mba misy dindo ahafantarana ve izao fa mbola misy ho antenaina ny handrosoan’ity firenena ity? Miady an-trano ny samy anaty fitondrana sy ireo samy mpanohana ny fitondrana. Miseho lany toy izany ihany koa, mazava ho azy, ny tsy fahafehezam-pitantanana ny firenena amin’ny lafiny rehetra. Ny anivon’ireo governoram-paritra moa efa iaraha-mahalala fa tsy anaty lalampanorenana. Mbola misy gaga ihany mahita amin’izao fotoana izao hoe ahenoana fomba fiasa tsy ara-dalana ataon’izy ireny. Lalana mamatotra azy aza izany tsy misy koa! Sady mandidy no mihinana, hoy ny mpanao politika naneho hevitra omaly izay. Dia mbola toy ny tany aloha ihany izany ny fomba fanao politika mitohy eto amin’ilay firenena. Ny mpikarakara fifidianana ahiana hiandany amin’ny fitondrana am-perinasa. Ny fitsarana mbola malaza ho feno lesoka. Mbola hifaly be ihany koa izany izao izay mety ho lany amin’ny fifidianana manaraka eo satria hoe mamim-bahoaka, fa indrindra, nahazo fahefana. Fahefana izay mbola tsy ahafaha-mihetsika araka ny tokony ho izy hahafahana mitondra fampandrosoana marina toy ny hatramin’izay ihany. Mitsara foana moa ny tantara saingy ny firenena kosa hanao ahoana ny hoaviny ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT