Edito

Lera....


  • Talata 19 Oktobra 2010


Nanao sioka tokana ny mpitarika. Nirohotra ny olona ary dia nanao tsy omby aloha. Fanairana ihany anefa raha ny fitrangany omaly, saingy taratra teny ihany fa misy zavatra efa ela nikobonana tao anaty tao ny an’ny Malagasy ka tonga ny fotoana hamosahany izany. Nitranga izany teny Anosy, nanda hatramin’ny farany ny hitsarana ireo mpitarika azy ny vahoaka, fa sady fitsarana politika io no fitsarana mitanila koa. Dia nihazo an’Ambohijatovo izy ireo ary niditra ny Kianjan’ny demokrasia. Vitany izany. Niala tao indray dia namakivaky ny Kianjan’ny 13 mey ary tonga tao amin’ny Magro Behoririka, toeram-pivoriany mahazatra. Tamim-pilaminana avokoa no nizoran’izany. Tsy trano iray vaky, na magazay iray voaroba, na fiarakodia potika, fa dia tamim-pilaminana no nanehoan’ireo mpitaky ny fiverenana amin’ny ara-dalàna ireto ny fitakiany.

Ny nahagaga, dia ny mpitandro ny filaminana indray no nandrehitra afo. Izy ireo no nampidonaka ny setroka, tamin’ny fanipazana baomba mandatsa-dranomaso tetsy sy teroa. Aiza ve ka olona mitoetra milamina miandry ny mpitarika azy ao amin’ny Magro no loarana amam-basy tao, dia mbola nanaovana hazakazaka arahin-tosika tamin’ny lakrimôzena ! Amin’ny maha olombelona dia misy ny sendaotra, tsy mahazaka izany habibiana izany, satria dia fampahoriana sy fampahantrana izany ary fandatsana ihany koa. Aza adinoina fa tsy zakan’ny maro ary alahelon’izy ireo ny fahitana olom-bitsy sy ireo vahiny miara-dia aminy mitavana ny harem-pirenena, manao an-keriny ny taniny, manao tantely afa-drakotra ny harena ankibon’ny tany, manao ampihimamba ny hazo sarobidy, kanefa rehefa sahy mijoro manohitra izany izy ka miteny dia any Tsiafahy na eny Antanimora na any Ambalatavoahangy no setriny. Izany ny mafy zakain’ny Malagasy ankehitriny.

Ary aza miangatra e ! Tamin’ny taon-dasa anie ka vao maraina dia efa voasakana ary nananganana barazy sy nambenana be sandry mihitsy ny lalana rehetra miditra ny Kianjan’ny 13 mey e ! Inona no nataon’ny mpitandro ny filaminana ? Nojerem-potsiny ireny ! Raha vao manombana ny hirava ny famorian’olona teo amin’io toerana io tamin’izany, dia efa horohoro ny an’Antananarivo iray vohitra satria, dia endaka sy fandrobana ary doro trano hatrany no fiafaran’ny andro. Omaly anefa raha niainga avy eny Anosy ny Ankolafy Telo, ka nandalo an’Ambohijatovo, namakivaky ny araben’ny fahaleovantena nihodidina an’i Behoririka, tsy nisy nanana ahiahy. Tsy nisy niala fa nanohy ny asa fivelomany ny mpivarotra amoron-dalana. Ny Karana no nanidy ny tranony fa ny Malagasy kosa namoha nihilahila teny ihany ny varavarany satria ity no tsirim-panantenana ho fanavotam-pirenena. Lakolosy fanairana iny, satria lera !
 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

  • Milentika any
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

am-parahatoka ny mpitondra!

Hijery ny tohiny
FTT