Edito

Lera !


  • Alakamisy 18 Martsa 2010

Io ary ilay nolazaiko. Tsy hihambahamba anie ireo hanasazy e ! Moa va tsy izay tokoa no nitranga. Tapitra ny fotoana, dila ny lera.

Nandrasana hiova, kinanjo vao mainka mihantsy. Tsy nihemotra ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Tsy tana fa nilatsaka ny sazy. 109 be izao no indray rakotra tao. Iza no naniry izany ? Ho sanatriavina angamba raha izany no tanjona herintaona lasa. Fa ny tsy azo lavina dia izao, malaza ihany i Andry Rajoelina fa indrisy, tsy amin’ny tsara fa … ratsy. Manao sakeli-mihoajoro, Ben’ny tanàna te ho filoham-panjakana, dia nisafidy ny lalana tsotra, dia ny fanonganam-panjakana. Asa nentanim-po amin’ny hoe zandriolona indrindra amin’ireo filoham-panjakana nitondra teto Madagasikara, hatramin’ny nahazoana ny fahaleovantena dia mba nanampatra fahefana, dia tsy vitan’izay hoe mandidy fa mbola te hanapaka samirery ihany koa. Nisy koa ny mampirisika, dia roboka. Dia hadino ny tombontsoam-bahoaka, ny namana omaly lasa fahavalo anio. Tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Tsy nanao afa-tsy ny namboly fahavalo i Andry Rajoelina. Vokany, maneno sahona avokoa ny sehatra rehetra. Fitakiana atsy, fitokonana aroa nefa misosoka ny loza voajanahary, manampy trotraka ny sazy iraisam-pirenena. Koa asa, raha izay tokoa no notadiavina ka nitarihana olona teny an-dalambe ireny ? Raha izay mantsy dia tonga ny lera !

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT