Leom-boananana,

lojika raha mailo !


  • Alakamisy 19 Febroary 2026

Raha misy vahoaka mahari-pery

 

angamba eto ambonin’ny tany dia ny vahoaka Malagasy. Henjana ny zavatra niainana teto tao anatin’ny 16 taona, tsy nitsahatra nitotongana ny fiainam-bahoaka, nahazo laka ny fitantanana anjakan’ny kolikoly sy ny tsimatimanota, nanjaka ny didy jadon’ny mpitondra mpangoron-karena sy mpamono vahoaka mivantana na ankolaka,… Tena mena ny tondro rehetra, eny fa hatramin’izao mbola tsy voaarina ny fahapotehana sy ny faharavana na ara-toekarena na ara-politika, na ara-toe-tsaina,… Midika izany fa tsy mora ny manentsina ny lavaky ny fahapotehana. Tsy midika anefa fa afaka ny hanilika sy hialokaloka ny amin’izany ny mpitondra ankehitriny. Tsapa ny ezaka ataon’ny fitondrana, manoka-baravarana amintsika izao tontolo izao izay ekena fa misy tambiny sy tamberiny tadiaviny, fa izay ilay ilàna faharanitana sy fahaizana mametraka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena. Efa betsaka ny serasera sy fampanantenana niainana tao anatin’ny 16 taona, efa tena tafahoatra ny filalaovana sary sy horonantsary nilazana fa mahomby,… saingy tsy izany intsony no andrasana fa vokatra. Ara-politika, eo ireo tsy maty voalavo an-kibo sy mitady hirika ary mitsimpona ireo lesoky ny fitondrana amin’izao, fa lojika ihany koa raha betsaka ny Malagasy no leom-boanana ka mampiaka-peo raha vantany vao mahatsapa na mahatsikaritra fa misy an’ireo fomba fanao mamohehitra teo aloha miverina. Tsy mora ny mitantana ny Firenena sy ny fahapotehana, saingy miandrandra vokatra sy fiovana ary fanovana ny vahoaka, mila averina tanteraka ny fitokisany, mila porofoina fa tena mizotra amin’ny làlan’ny fanovana hisian’ny anjara masoandron’ny Malagasy isika. Efa misy ny dingana vita saingy mila tazonina, hatsaraina,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT