Edito

Leom-boan’anana


  • Talata 02 Febroary 2016

Somary nampiakatra kely ny maripana eo amin’ny tontolo politika indray ny fivoahan’ny listr’ireo loholona 21 notendren’ny filoham-pirenena omaly hariva.


Tao no faly ary tonga dia nifety avy hatrany, nisy kosa no tezitra satria diso fanantenana sy nahatsiaro fa voafitaka. Fa nisy koa ny efa tsy taitra intsony satria efa mora ny maminany ny fanapahan-kevitra horaisin’ny fitondrana HVM. Raikitra ny adihevitra, re ny hoe : aleo izy mba hiasa fa toerana ifandimbiasana io : misy ny efa leom-boan’anana ka tsy tia zava-boribory ka nanitrikitrika fa tsy misy azo antenaina amin’izao fitondrana izao intsony fa na hihetsika indray ny vahoaka na haroso ny fifidianana filoham-pirenena. Asa, mety noho izany angamba no mahatonga ny olona sasany manahy ny amin’ny hisian’ny savorovoro eto, efa tena feno mantsy ny kapoaka, hoy izy ireo. Ary rehefa tena dinihana marina ny fiainan’ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy dia mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. Tsy fitandremana kely monja avy amin’ny mpitondra dia mety hisavorovoro ihany ny eto.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT