Isan’andro dia tsy maintsy mandre sy mahita amin’ny vaovao fa misy fitakiana atsy, misy fitokoanan aroa, manome fe-potoana ny fanjakana ny sendika izatsy, misy ihany koa ny manakiana sy manao ampamoaka momba ny gaboraraka amin’ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny fitrandrahana tsy ara-drariny ny harena misy eto.
Misy ihany ny fihaonana sy fifampiresahana eo amin’ny fitondrana tetezamita sy ireny vondron’olona, na sendika na fikambanana ireny, saingy hatramin’izay 3 taona nisian’ny krizy izay aloha, dia tsy mbola nisy ny vahaolana tena matotra hita. Hany ka miverina foana ny resaka dia mihodinkodina eo. Niavaka kosa anefa ny tamin’ity 2012 ity satria nanomboka nahazo vahana ny fidinana an-dalambe. Raha ny fandrenesana ny fanambaran’ireo mpanohitra ny fitondrana sy ny sendika dia hitohy isan-kerinandro io fidinana an-dalambe na fanaovana sit-in amina toerana iray voafaritra io. Etsy ankilan’izany dia miezaka ny manadio tena hatrany ireo mpitondra fanjakana ka milaza fa efa misy ny ezaka natao. Ambara ihany koa fa tsy ao anatin’ny tetezamita no hamahana ny olana sendikaly rehetra. Lazaina ombieny ombieny fa tsy misy ny vola ka mila mihafy. Maro anefa no mahatsapa fa toa ny sahirana ihany no mbola terena hihafy fa ireo manan-katao sy manana ny ampy, manao izay tian’izy ireo. Miroborobo ny orinasa, misosa ny bizna, Maro ireo « entana » sarobidy tafavoaka an’i Madagasikara. Malaza any ivelany any, amin’ny fanaovana trafika sy afera maloto ny mpitondra sy mpanao politika Malagasy, saingy tsy mampiraika ny mpitondra ambony izany.
Mitombo isa ireo voaroba fananana, voatifitra sy voadaroka amin’ny basy, mody nangingina kely ny fanafihana teto Antananarivo fa ny any Toamasina indray no mirongatra. Ilay fanjakana milaza fa tsy manam-bola ao anatin’izany rehetra izany, manokana volabe hanaovana Podium vao aty amin’ny faha 9-n’ny volana jona. Ampilendalendaina vola amin’ny alalana fifaninanana ny tanora avy eo. Mahazo vahana ny fisotroana sy ny filokana eny amin’io toerana io, manjaka ny revy sy ny ditra. Ka tsy tokony hahagaga raha miha mahazo vahana amin’ny tanora ny asan’ny satana. Leo an’izany zava-drehetra izany ny olona, leon’ny fampanatantenana natao nanomboka tamin’ny 2009, leon’ny fivadibadihan-dela, leon’ny fanilikilihana, leon’ny didin’ny be sandry, leon’ny ramatahora, leon’ny lakrimozena, leon’ny fampanantenana isaky ny voalohan’ny taona fa hanao fifidianana. Leo, tena leo ka tsy manaiky ny hampanginina sy tapenam-bava intsony. Izay no mahatonga ireo fitakiana sy fitokonana ary fidinana an-dalambe ireo, izay raha tsy voavaha haingana dia ho lasa nofy ratsy ho an’ireo izay nidedaka, 3 taona lasa izay fa hahavita tsara kokoa, noho ny teo aloha !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.