Edito

Lemilemin-dradity !


  • Zoma 26 Mey 2017

Niova fomba fiteny sy fomba firesaka indray ny mpitondra fanjakana tato ho ato.

Hatramin’ny minisitra iray efa nolazain’ny olona ho minisitry ny fitsaram-bahoaka aza dia efa niloa-bava fa handeha amin’ny an-tsakany sy an-davany ny fitsarana ilay ramatoa malaza be amin’ny kolikoly, izay narovany fatratra, ka nizakany ny kiana mavaivain’ny ambanilanitra. Ny filoha moa dia efa ela no mivoy ny fampanjakana io tany tan-dalàna io saingy resaka an-tendromolotra satria tsy sahy mikitika kely akory ny andrarezin’ny mpanao kolikoly ao an-damosiny. Tsikaritra ho mamono afo sy miantso tolo-tanana amin’ny vahoaka anefa, raha tsy hilaza afa tsy ny resaka fakana an-keriny. Miezaka mandamin-dresaka sy mampitombo ny serasera raha nanao be marenina tany ho any foana hatrizay. Inona no ao ambadik’ireny teny malefaka sy fakana ny fon’ny olona ireny ? Raikitra indray ny lemilemin-dradity hamandrihana an-dravorona. Mila mailo ny rehetra satria ny tanana zatra mitsotra tsy afaka ny hivokona intsony, ka sao ho sodokan’ny iray lovia eto !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT