Edito

Lazon’ady


  • Alatsinainy 25 Aprily 2022

Vita ny fifidianana Filoham-pirenena Frantsay, ary lany indray ny Filoha am-perinasa. Nitombina, tsy nivaona lavitra tamin’ny tsapan-kevitra na “sondage” efa nandeha ny voka-pifidianana vonjimaika,

ary heverina fa tsy hisy fiovana firy intsony. Aoka anefa tsy hanonofy ny eto, ka hilaza sy hieritreritra indray ireto mpitondra, fa ho lany 53% araka ilay tsapan-kevitra nataony, ary misy aza moa ny olon’ny Fitondrana toa manao revin-gadra sy nofy ririnina fa 60% mahery mihitsy aza fa tsy ampy izany 53% izany, raha ny zava-bitan’ny Filoha. Mampanongo tena hoe: mitapina inona loatra re ny mason’ireny olona ireny? Izay tokoa ny adidiny, tena manao ilay fanohanana ny Filoha ka na hisolelahana sy hanasana atidoham-bahoaka aza io tsy olana angamba. Lasa fampitsabahana ny Filoha akehitriny anefa ny ataon’ireo namany na mpanohana azy sasany, na efa hita izao aza fa maro ny lesoka sy ny tsy mety, dia takon’ny fisolelahana ka samy milaza ny ankamaroany fa mety avokoa ny atao na efa midona amin’ny rindrina matetika aza. Lesona mila jerena sy mila ampoizina amin’io miseho any Lafrantsa io ihany koa anefa ny fisian’ny lazon’ady politika, fa tsy hoe: ho mafy hatanjaka eo foana ianao, na koa hahomby mandrakariva ny amboletra sy ny don-tandroka. Mba manana ny sainy sy atidohany ihany koa ny hafa fa tsy ho “gana malemy” lava araka ny fiten’ny tanora eo foana. Taratry ny lazon’ady ara-politika ny zava-miseho sy mitranga any Lafrantsa io. Ekena fa resy ny hery an-kavanana, saingy nisy fivoarana hatrany tao anatin’ny 20 taona nisiana, raha raisina amin’ny vokatra azon’ny kandida avy amin’ny hery ankavanana Rtoa Marine Le Pen. 17,90% tamin’ny 2012, niakatra ho 33,90% tamin’ny 2017, ary tonga 41,8% eo ho eo tamin’ny fifidianana omaly. Manomboka misoko miadana, ary efa hita taratra ny fifandanjan-kery ara-politika. Miomana sy miketrika foana, fa tsy milavo lefona, henjana izany hoe: ao anatin’ny 20 taona mbola afaka mitazona ny tanjaka ara-politika izany, na mety mbola tsy nahazo Fanjakana tokoa aza. Toa misy sarisary tahaka iza ny eto, raha io lojikan’ny fifanandrinan’I Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina, saingy ny lesoka amin’ny fanaovana politika sy ny fifidianana eto, tsy ny vahoaka mpifidy irery no mpanapa-kevitra.
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT