Edito

Lazon’ady tsy mety vita


  • Talata 23 Oktobra 2012

Miandry ka miandry ihany, dia miandry fa Gasy e ! Izay no azo amintinana ny zava-misy manodidina ny famahana ny krizy.

 Tsy mbola any am-pelatanan’ny Troika-SADC ny tatitr’ireo iraka manokana tonga teto Antananarivo. Rehefa voaray kosa anefa izany dia mbola hifandinika indray ireo telo tonta ao anatin’ny Troika ireo, aorian’izay vao hiampita any amin’ny foiben’ny SADC ny tatitra ka ny fivoriambe no manana ny teny farany. Amin’ny 2013 anefa vao misy fivoriamben’ny filoham-panjakan’ny SADC indray, raha tsy hoe hisy ny fivoriana tsy ara-potoana hanapahan-kevitra momba ireo krizy aty amin’ny faritra misy antsika, angamba. Omaly koa raha nivory teny Alarobia teny ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola dia tsikaritra fa mbola ho lavalava ihany ireo dingana tsy maintsy arahana, izay vao hivoaka ilay vola nampanantenain’ny sehatra iraisam-pirenena mba hanohanana ny fikarakarana ny fifidianana sy hanatanterahana azy.

I Suisse sy Norvege ary ny vondrona eoropeanina no efa nitonon-tena fa hanampy ara-bola antsika amin’ity resaka fifidianana ity. Tena saro-piaro amin’ny fanjakana tsara tantana, ny mangarahara, ny fanajana ny demokrasia sy ny zon’olombelona anefa izy ireo, ary faran’izay tena mankahala izany kolikoly izany. Malaza ratsy amin’ny fandikana ireo zavatra voatonona ireo anefa ny tetezamita tarihan’i Andry Rajoelina, koa noho izany dia azo antoka fa ho henjankenjana ny fanaraha-maso ary mbola ho ady sarotra ny asa any anaty rafitra sy vaomiera isan-karazany any. Tena fetsy ny vazaha ka tsy hanome maimaimpoana vola am-polony tapitrisa euro antsika izany, satria hoe vonona hanao fifidianana madio sy mangarahara isika, araka ny ambetin-tenin’ny mpitondra sy ny mpanao politika. Tena ho sarotra ity resaka ity, satria lava be ireo dingana tsy maintsy arahana, ny fotoana anefa mandroso ary miha manatona ihany ilay datin’ny 8 mey 2013, hanaovana ny fiodinana voalohany amin’ny fifidianana filoham-pirenena. 71 tapitrisa euro no nambaran’ny CENIT fa ilaina mba hanatanterahana ny fifidianana rehetra.

Ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany anefa tsy mbola nanome na dia 1 euro tamin’io fa dia ny fitondrana tetezamita no nanome nentin’ny CENIT nanatontosa ny asa voalohany tsy maintsy natao. Fantatra koa izao fa amin’ny faran’ny volana novambra no ho vita ny fanisana ny mpifidy, tany am-boalohany anefa dia nolazaina fa vita amin’ny faran’ny volana oktobra izy io. Efa nihemotra iray volana izany ! Izay ny fiomanana amin’ny lafiny ara-teknika, fa eo amin’ny lafiny ara-politika indray dia tena mbola ankamantatra tanteraka, noho ny tsy mbola fahatomombanan’ny fanatanterahana manontolo ny tondrozotra. Maro no miteny fa tsy mbola misy fitoniana politika izany eto, ny fampihavanam-pirenena mbola any an-kibon’ny omby ka inona no fifidianana madio, mangarahara ary milamina azo antenaina amin’izany e ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT