Na dia miezaka ny manaron-javatra aza ny minisitry ny fiarovam-pirenena dia tsy takona afenina fa misy ny zavatra tsy milamina ao amin’ny foloalindahy ao, ary tsy honohono na resabe ny tsy fifankahazoana anatiny eo amin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny CEMGAM, araka ny nambarana manamboninahitra iray.
Tsy fantatra mazava ny antony tena nahatonga ity ady mangatsiaka ity fa ny azo antoka fotsiny aloha dia marisarisa ny fifandraisana eo amin’ireto manamboninahitra jeneraly ireto, ary samy manana ny mpanohana azy eo anivon’ny tafika izy ireo. Matetitetika ihany koa no andrenesana fivoriana etsy sy eroa, ka manamboninahitra ireo mazoto mivory ireo. Nandeha be mantsy ny feo taorian’ny raharaha BANI fa hosoloina ny CEMGAM, saingy tsy tanteraka izany. Ny filohan’ny FAT no filoha faratampon’ny foloalindahy ka mihevitra ny maro fa tany no tsy sahy mandray io fanapahan-kevitra io. Ny jeneraly Ndriarijaona André koa anefa dia tsy hanaiky mora foana ny fanilihana azy, fa efa mivonona amin’ny tranga rehetra. Fanapahan-kevitra politika goavana ny fanoloana ny CEMGAM raha amin’izao vanim-potoana tetezamita izao ary mety hanaratsy endrika avy hatrany ny FAT. Mety ho noho izay no tsy hahasahian’i Andry Rajoelina manolo ny lehiben’ny Etamazaoro sao hanapotika azy. Dia hitohy ihany izany aloha ny ady mangatsiaka eo amin’ireto manamboninahitra jeneraly 2 samy manana toerana ambony ireto ary samy miandry ny rehetra ny amin’izay tena mahatanty lazon’ady amin’izy mirahalahy, ka hijanona hatramin’ny farany eo amin’ny toerany.
Ny mampanahy amin’ity raharaha ity fotsiny dia mety hiteraka savorovoro sy hanakorontana ny tafika indray ilay izy, hitoetra sy hiha hahazo vahana ny fifampiandaniana, samy manana ny mpanohana azy izy mirahalahy. Mety hisy indray atsy ho atsy ny fanambarana ataona vondrona manamboninahitra, ary hampitombo ny fahasahiranana sy ny krizy izany, no sady hampitarazoka ny famahana ny olana misy eto amin’ny firenena. Dia ho avy ihany koa ny mpanao politika hisoavaly ity raharaha ity amin’izay mahamety azy ireo, dia ho tonga avy eo ny fisamborana etsy sy eroa. Antenaina, araka izany, fa samy hendry ary hahita ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny CEMGAM ka samy hahay hampangina ny hambom-pon’izy ireo ary hampihavana fa tsy sanatria hampisavorovoro indray ny miaramila. Raha ny marina, ny jeneraly Ndriarijaona André irery sisa, ankoatra ny lietna kolonely Lylison no manamboninahitra nanampy mivantana an’i Andry Rajoelina tamin’ny fanonganam-panjakana nataony teto tamin’ny 2009. Ho sarotra ho an’ny filohan’ny FAT ny hanilika azy tsimoramora na dia maro aza ny resabe mandeha momba azy, toy ny filazana etsy sy eroa fa nahalala zavatra momba ny raharaha BANI ny jeneraly Ndriarijaona André. Mila lazon’ady avokoa izany rehetra izany, ka izay kely vovok’aina ihany no tsy maintsy hibaboka mialoha !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.