Edito

Lazon’ady !


  • Talata 21 Desambra 2010


Dia raikitra indray izany ny fifidianana ary efa mivonona amin’izany ny rehetra, tsy niova tamin’ny teniny izay efa nankatoavin’ny fihaonambem-pirenena ny fitondrana tetezamita fa dia miroso, miroso hatrany. Maro tokoa mantsy ny nandroso hevitra ny amin’ny hoe rehefa vita ny fitsapan-kevi-bahoaka dia ny fifidianana filoham-pirenena avy hatrany no atao mba hampazava tsara ny raharaha, satria manana lanjany lehibe sy goavana ao amin’ny repoblika izany filoha izany ary hampisinda ny fifanolanana politika efa nanomboka tamin’ny janoary 2009. Mety amin’ny FAT io resaka io ary mety tsara koa amin’ireo mpanara-dia azy, saingy manahirana ny mpanohitra kosa, dia ny Ankolafy Telo izany.

Ireto farany mantsy dia mbola manitrikitrika fa mila atsangana aloha ny tetezamita iaraha-mitantana izay vao mandinika ny ho tohin’ny raharaha ; ary raha ny fanirian’ny Ankolafy Telo indrindra fa ny ankolafy Ravalomanana dia ny fifidianana filoham-pirenena avy hatrany no tanterahana aorian’ny fahavitan’ny fifanarahana politika vaovao indray ary hampiharana ny famotsoran-keloka faobe hahafahan’ireo nanao sesitany ny tenany mody an-tanindrazana. Tanjona amin’io ny hiverenan’i Marc Ravalomanana eto izay vao nanamafy herinandro mahery lasa izay fa ho kandida amin’ny fifidianana ny tenany. Hita sy tsikaritra fa misy paikady politika goavana ny fanatanterahana io fifidianana amin’ny 16 martsa io, efa re sahady mantsy izao fa tsy vitsy amin’ireo mpanao politika ao avy amin’ny mpanohitra no te hilatsaka hofidiana depiote ka mety hanaiky io daty io, ary raha ilaina aza dia hanara-dia ny lamina sy tetiandro rehetra napetraky ny FAT mihitsy.

Raha izany no mitranga dia hihena ny herin’ny mpanohitra ary dia malalaka ny lalan’ny fitondrana tetezamita ka dia miroso hatrany ny dia. Politikan’ny lazon’ady no ampiharin’i Andry Rajoelina hatramin’izay ka hatramin’izao ka izay mahari-pery dia miandry ny rariny eo, izay tsy mahazaka kosa dia na mitsoaka an-daharana, na mamadika palitao ka manaiky tsimoramora ny seza omena azy. Ny mpanao politika moa mahita irika hanavotana ny tenany eny foana, fa ny vahoaka no tena mitondra faisana ao anatin’izany rehetra izany satria mitarazoka noho ny adivarotra politika ny krizy, sady tsy fantatra intsony izay tena marina, ny mpinamana omaly, toa lasa mpifahavalo androany, ary ireo niara-dalana androany toa hifanasa vangy sy hifanenjika indray rahampitso. Mazava ny politikan’i Andry Rajoelina fa sady manatanteraka ny takian’ny sehatra iraisam-pirenena izy dia ny fanaovana fifidianana demokratika sy mangaraharaha (?) mba hiverenana amin’ny ara-dalàna no sady manao izay mahamety azy ihany ary efa mangalatra «départ» mitety faritra etsy sy eroa manao propagandy, satria hilatsaka hofidiana filoham-pirenena. Ireo izay miseho ho be vava manakiana ny tetezamita moa dia voaantso hatao fanadihadiana ary miditra any am-ponja avy hatrany. Mila manana lazon’ady sy paik’ady politika matotra ary mirindra ireo mpanohitra raha hifanehatra amin’ny fitondrana tetezamita izay efa nisotro ny aleoko maty ! 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT