Edito

Lazon’ady


  • Alakamisy 04 Septambra 2014

Azo ambara ho milamin-tsaina ny fitondram-panjakana taorian’ny fitonian’ny grevy nataon’ny mpiasan’ny Air Madagascar sy ny Jirama, satria sehatra goavana sy manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena izy ireo

Nandaitra ny don-tandroka, nety ny paikadin’ny lazon’ady nampiharina momba ireo fitakiana roa ireo. Raha ny fahitana ny fizotry ny raharaha dia mbola io resaka lazon’ady io ihany no ampiharin’ny minisiteran’ny fanabeazana amin’ny fitakian’ny mpampianatra FRAM. Koa raha tsy manana fomba fiady matotra ireo FRAM dia ho mora ho an’ny fitondram-panjakana ny hifehy azy ireo ary dia ho maty momoka ny fitakiana. Maro ny mpanao gazety nahatsapa fa endrika hafa mihitsy no hita amin’ireto mpampianatra FRAM mitokona ireto fa tsy tahaka ny endrika nahazatra hatramin’izay. Fa nankaiza ary ireo mpitarika fahiny ? Nankaiza ihany koa ireo mpampianatra FRAM nasiaka fomba fiteny sy tena sahy nanakiana ny fitondrana tetezamita ? Sa ve efa manao kajy mba ho anisan’ireo 10 000 horaisin’ny fanjakana amin’ity taona ity izy ireo ? Hatreto aloha dia hita fa tsy hilefitra ny fanjakana momba ny fitakian’ny FRAM, ka asa izay hataon’ireto farany. Raha ny resaka fanafoanana ny taom-pianarana 2014-2015 dia re fa tsy matahotra izany velively ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Ka mipetraka ary eto ny fanontaniana hoe : inona no hiafaran’ity tolon’ny mpampianatra FRAM ity ? Mba hisy vokany ihany ve sa ho maty an-karanany. Fony izy minisitry ny vola dia efa nazava ny tenin’i Hery Rajaonarimampianina : tsy voatery hahazo fahafaham-po daholo akory izay mitaky rehetra. Efa voarafitra ny tetibola 2014 sy ny fanitsiana azy, mpampianatra FRAM 10 000 no horaisina araka ny voasoratra ao, ka sarotra ihany ny inoana hoe hampitombo io isa io indray ny fanjakana. Tsy misy mahafantatra izay havoaky ny ampitso moa ka dia ho hita eo izay tena manana lazon’ady e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT