Edito

Lavitry ny manara-penitra


  • Zoma 30 Desambra 2022

Lavitry ny manara-penitra hatramin’izao aloha izany ny fanatanterahana fampanantenana politika teto amin’ity firenena ity.

Tao anatin’ity fitondrana ity moa dia tamin’ny endriny maro na ilay antsoin’ny vahiny hoe “de toute les couleurs” mihitsy izany. Mbola manana hatramin’ny anio amin’ny 11ora sy 59 minitra alina moa ny filoham-pirenena hanatanterahana ilay fanamby momba ny fiaran-dalamby hoe tsy maintsy ho tonga mialohan’ny faran’ny taona sy ilay resaka fiarabe na “bus” miisa 1000. Toa vazivazy zarintenany angamba izao ny maheno izany nefa mety finoana ho an’ireo mpanohana an-jambany ny filoham-pirenena ankehitriny koa. Atao ihany ny tsy hiresaka zavatra ratsy eto amin’ny firenena ao anatin’izao andro fety izao, indrindra moa voizina ny hoe fitoniana politika saingy atao ahoana moa no tsy hivarahontsana manoloana ireny vono olona amin’ny andro atoandro be nanahary tahaka ireny niseho teny Behoririka omaly ireny? Ahoana no hitonian’ny saina maheno hoe misy mpiray tanindrazana amin’ny tena ao anatin’izao andro fety izao dia manga efa lo no voatery mbola amidiny mba hahafahan’ny vady aman-janany misakafo? Firifiry tamin’ireo olompirenena moa no tsy nilaza fa nangingina tsy toy ny isan-taona ny Krismasy tamin’ity? Na ny faritra heverina ho feno mpiompy gisa aza voatery nivarotra ny entany tamin’ny vidiny lafo. Ahoana no fomba hampandriana ny saina amin’izany? Lavitry ny manara-penitra aloha, araka ny voalaza teo, ny fanatanterahana fampanantenana politika fa hita ho tena mbola lavitr’izay koa ny fiainam-pirenena manontolo mihitsy ary porofo mitohoka amin’ny tenda izao fahantrana lalina eto amin’ny firenena izao. Ny hany manara-penitra angamba sisa dia ny fampandriana adrisa.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT