Edito

Lavitry ny ezaka


  • Zoma 16 Jona 2017

Raha toa ka misy telo ny dingana atao rehefa hamadika asa ny vina iray napetraka, izany hoe fohy ezaka sy antenantenan’ezaka ary lavitra ezaka dia mahakivy ny maro ihany ny mahita ny


toe-draharaha izay miha mamboly fahasahiranana andro aman’alina ankehitriny. Mandra-pahoviana izany ireto tompon’andraiki-pitsarana sy sampandraharaham-panjakana izay mbola manohy ny fitokonany sy mampikatso ny fampadehanan-draharaha eto amin’ny firenena ireto no tena hiverina handray ny andraikiny amin’izay ? Na ilay mpandraharaha goavana voaheloka tamina raharaha kolikoly izay efa re fa nalefa tany amin’ny toerana tokony ho nisy azy hatrizay rehefa avy nalokalofana tany amin’ny hopitaly tany aza toa mandindona famotsorana sahady indray ka aiza no tsy ho kivy. Mbola ho ela isika vao hahatody izany atao hoe ezaka lavitr’ezaka izany raha toa izao foana no fitrangan-javatra eto satria dia hita izany izao fa ny mpitondra mihitsy no miha lavitry ny ezaka andro aman’alina. Dia hahagaga ve raha nisy masoivoho vahiny nilaza omaly fa mikasa hanome 1,2 tapitrisa dolara hamatsiana ny fifidianana fa tsy sahy niteny avy hatrany hoe hanome ? Gaga koa ve isika raha tsy tonga hatramin’izao ilay 10 miliara dolara nokasain’ny mpamatsy vola homena antsika ?

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT