Edito

Lavitry ny afo ny kitay


  • Talata 06 Oktobra 2015

Mbola tsy milamina ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara hatramin’izao e !izay no azo hamintinana ny zava-mitranga eto amin’ny firenena tato ho ato izay.Variana amin’ny resaka fanonganana sy fiarovana ny eny amin’ny antenimieram-pirenena

 


, tsy tena mandinika tsara akory ny fiainam-bahoaka.Lalàna momba ny fitantanan-draharaham-panjakana no betsaka dinihana eny fa tsy tena misy mahakasika ny fiainanan’ny vahoaka mivantana.tsy hay intsonyhoe iza no mpanohitra  ary iza no mpanohana ny fitondrana eny Tsimbazaza eny fa dia mifamadibadika am-pitoerana eo.Ny governemanta moa dia hita fa samy maka ho azy,misy minisitra dia tsy hita tabilao mihitsy am-bolana maro, tsy fantatra intsony na mbola miasa na manao vakansy na ahoana.Kabary izany efa natao teto izany singy tsy hita izay tena vokany, ny tsapa aloha dia mikatso ny raharaha ;tsy vita ny fampihavanana,mbola mitoetra foana ny fifandrafiana noho ny firehena politika tsy mitovy.Lavitry ny afo ny kitay raha fampandrosoana no resahana,mahantra dia mahantra i Madagasikara :ny ato anatiny tsy mifanaraka, ny avy any ivelany tsy mahatoky antsika.Ka inona moa izany fa dia rafotsy be very loana ka miandry izay higadonany e !

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT