Edito

Lavitra ny ezaka


  • Zoma 15 Janoary 2021

Fiteny matetika ataon’ny mpitondra na mpitantana amina sehatra hitondrana

 

olombelona moa ny hoe mila tonga saina isika na koa hoe mila manova toe-tsaina. Fikasana izay hita ho mbola lavitra ezaka tanteraka raha mijery ny fihetsika sy mandinika ny atao ary zava-dazain’ireo manampahefana eto amin’ny firenena ankehitriny io. Na ireo mpitondra, mpitantana, mpitarika heverina tokony ho filamatra koa aza kay rehefa dinihina dia samy mbola ilaina atao tonga saina amin’ny zava-misy marina sy tokony ataony eto amin’ity firenena ity. Nisy fotoana nivoy be teto amin’ity firenena ity ny fandavan’ny ankamaroan’ny olom-pirenena maro ny maha afrikanina antsika Malagasy. Fiheverana izay diso tanteraka satria raha izany no mitombina dia tsy tokony handray anjara amin’ireny fifanarahana na lalao iraisampirenena ara-panatanjahantena afrikanina ireny isika, ohatra. Tsetsatsetsa tsy aritra izay fa mbola nalaza hatramin’ny omaly koa ny toetra afrikanina nasehon’ireo olom-boafidy vao lany sasantsasany eto amin’ny firenena tao amin’ny lapa maitso tao. Dia ny tena no menatra, hoy ilay fiteny nalaza fahiny izay. Tsy mety voavaha hatramin’izao ny gaboraraka momba ny fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena ary samy miezaka miaro ny tenany sy manilika ny hadisoana any amin’ny hafa hatrany izay mampiahiahy ny mpanara-baovao mandinika ny fizotran’ilay toe-draharaha. Toetra nampalaza ny afrikanina sy nanaovan’ny eoropeanina sy amerikanina fanesoana azy hatrany amin’ny taona 1980 sy 1990 tany ho any izany. Efa maro anefa ireo afrikanina manomboka tafala aminy fa isika indray ity no jereo ity izy, hoy ny ankizy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT