mpanara-baovao fa niaina fitotonganana
ara-toekarena nandritry ny 16 taona izao firenena malagasy izao. Nisy ny fanonganam-panjakàna ny taona 2009, izay nohamarinin’ireo mpitondra fanjakàna tamina firenen-kafa ary nametrahan’ny sasany tamin’izy ireo ny toeran’ny filohan’ny tetezamita tamin’izany, Andry Nirina Rajoelina, mihitsy hoe tsy manana sata handray fitenenana tao amin’ny polipitran’ny firenena mikambana akory na ilay hoe «sans qualité». Nihidy taorian’izany ny famatsiam-bola na «robinet», hoy ny nalaza tamin’ny fotoan’andro. Hatramin’ny farany teo dia niaraha-nizaka ny tsy fahasahiana hery iraisampirenena maro nametraka fitokisana tamin’ny fitondràna Rajoelina sy ny tohiny tao anatin’izay 16 taona izay. Heverina fa ny tsy fahatontosàna araka ny nampanantenana ny tetikasa rehetra tao anatin’ilay nolazain’ny filoham-pirenena tamin’izany ho vinany na hoe IEM dia mbola tarazon’izany tsy fahatoakian’ny mpamatsy vola, indrindra, mpamatsy vola iraisampirenena azy izany avokoa. Ankilany nefa, hita ho tsy hain’ilay fitondràna nijoro koa ny namadika ireo harem-pirenena ho lasa tombontsoam-pirenena marina fa dia tantely afa-drakotra no betsaka. Ny volamena moa no tena nalaza. Tao ny raharaha 73,5kg, ny nivadika vy tanaty birao notantanan’ny praiminisitra Ntsay Christian, ny tany Kaomoro vao tratra tamin’ny fotoana naha minisitry ny fitsaràna izany antsoina hoe Imbiky Herilaza izany sy ny hafa maro tsy voatanisa. Tsy adino ny raharaha Andramena hatramin’izany 2009 izany. Ny mikasika ny vy tao Soalala hatramin’izao mampametra-panontaniana hoe nankaiza? Io ny raharaha Base Toliara, Sakatia, Mitsio sy ny tariny rehetra. Izany hoe izany rehetra izany ilay nofehezin’ny filoham-panjakàna ankehitriny tamin’ny hoe «Firenena efa potika no noraisinay.». Goraobaka kosa ve moa ny harem-pirenena tao tsy ho potika? Fanampin’izay, hoy izy, dia mila manova toetsaina mihitsy ary iny no heverina fa asa sarotra indrindra satria tena miankina amin’ny tompon’ilay saina tokony hiova ihany no hahatonga an’izay fiovàn’ny toetsainy izay. Maro dia maro ny tokony harenina ary tsy ho voatanisa angamba na mbola hanaovana boky aza fa ny azo amehezana azy angamba dia hoe lavitra ezaka ity ka alao hery aza raha tena vonon-kanova tokoa isika mianakavy!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.