Na ahoana na ahoana resaka atao eto dia tsy maintsy miafara amin’ny fifampidinihana foana ny zava-drehetra.
Tsy resaka olona fotsiny no hanaovana izany fa mba tena hialana amin’ny fifandirana isaky ny mihetsika sy hifampiresahana mivantana eo amin’ireo samy manana olana. Misy ny olona sasany milaza fa tsy aleo ve tonga dia ny fifidianana no ifantohana fa tsy mandany andro mivory etsy sy eroa. Tandra vadin-koditra amin’ny politika anefa ny fifampidinihana, ary na mpiara-dia na mpifanandrina dia mila mifampiresaka foana. Ekena mihitsy fa efa maromaro ihany ny dinika natao mba ho famahana ny krizy nanomboka tamin’ny febroary 2009 ka hatramin’izao, saingy rehefa izay no hampilamina dia izay izany. Isaorana an’Andriamanitra aza fa tsy lian-dra sy kinga amin’ny fampiasana antsy be sy famaky, tahaka ny Afrikanina ny Malagasy fa mbola mahari-pery, miandry izay ho vokatry ny fifampiresahana eo amin’ny mpanao politika.
Nisafidy ny fampiasan-kery i Andry Rajoelina, nanafaingana ny ny tolona nataony tamin’ny 2009, ary dia voarodany tao anatin’ny telo volana Atoa Ravalomanana. Ity farany kosa anefa dia nisafidy ny fifampidinihana sy fifandresen-dahatra mba ho famahana ny krizy, fa tsy mba anisan’ny maika amin’ny fampiasan-kery na dia mety efa nisy nampirisika tamin’izany aza, izy rahateo manam-bola hahafahana manao izany, saingy tsy nanao tahaka ny fanaon’ny Afrikanina izy ka nanafika lapam-panjakana handrodana indray ilay nanala azy teo amin’ny fitondrana. Foto-kevitra roa mifanipaka mihitsy, araka izany, ny azy mianaka ireto ka tsy tokony hahagaga raha ela vao mety ho hita ny marimaritra iraisana.
Tohanan’ny Frantsay i Andry Rajoelina, akaikin’ny Amerikana i Marc Ravalomanana. Mbola resaka hafa koa izay ary mety mampitombo ny olana aza indraindray. Voasonia tamin’ny 17 septambra 2011 ny tondrozotra, tamin’ny volana janoary dia efa nilokaloka ny filohan’ny tetezamita fa vita iny ny fifanarahana politika koa dia ho taonan’ny fifidianana amin’izay ity 2012 ity. Iaraha-mahita anefa izao fa mikatso ny fampiharana ilay tondrozotra, folo volana aty aoriana ary savoritaka ny ao anaty governemanta ao. Koa raha mifanaraka Atoa isany Rajoelina sy Ravalomanana, dia mipetraka ny fanontaniana hoe : ho tanteraka avy hatrany ato anatin’ny fotoana fohy ve, izay nifanarahana tany Seychelles tany, sa dia mbola hiandry folo volana indray ? Raha sanatria tsy mifanaraka mihitsy moa ry zareo dia mitohy izany ny krizy. Azo eritreretina koa anefa hoe : tonga dia milefitra tsotra izao ka hiala amin’ny fanaovana politika mihitsy aloha izy mianaka, na ny iray dia tonga dia mitohy ny tantara ka mitsahatra hatreo ny fifanandrinana. Saingy toa...nofinofy ihany aloha izany e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.