Lava volon-kelika mandihy

Tsy mahay mahazo tsiny rahateo.


  • Alatsinainy 08 Janoary 2024

Lava volon-kelika mandihy, hoy ny fitenenana, mahay mahazo tsiny.

Oha-pitenenana malagasy mifono hevi-dalina izany. Maheno izany ianao dia tsy hay ny tsy hieritreritra ny manjo ilay firenena amin’izao fotoana izao eo anivon’ireo mpitantana azy hatramin’ny taona 2009 no ho nankaty. Ny tantara tsinona tsy fanadino na iza na iza hiteny hoe avalony any amin’izay izany fa efa lasa tany aloha tany! Rafitra sy fomba fitantanana eto no resaka fa tsy toetran’olona tsirairay ao anatin’ilay fitondrana. Ahoana tokoa moa no ahafahana hitondra filaminana anatina fitondrana azo tamin’ny fomba tsy nilamina lava izao? Ahoana no hanadiovana mpitantana zatra nilomano tanaty rafitra nalaza ho naloto hatramin’izay ho lasa rafitra madio vetivety eo? Ataona fitondrana nalaza tamina trafika sy zava-mamoha henatra maro dia maro tao anatin’izay 15 taona latsaka kely izay ahoana no hanarenana izao fahavoazan’ny firenena mampalaza azy ho faran’ny mahantra indrindra eto ambonin’ny tany izao? Hianiana amina lalàmpanorenana voaholana tokoa ve izany ireo minisitra nambara ho ampanaovina izany? Praiminisitra efa im-piry notsipaham-pitokisana no hampanao azy ireo izany sa filoham-pirenena voalaza ho efa tokony very zom-pirenena? Tena azo inoana ve fa ao anatin’izany odidina rehetra niainana an-taonany maro izany no mety mbola sy tsy maintsy hampandroso tokoa ilay firenena?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT