Edito

Latsaka anaty lavaka !


  • Alakamisy 04 Aogositra 2011

Araka ny vokatry ny fanadihadiana navoakan’ilay gazety boky amerikanina malaza Forbes dia lohalaharana amin’ny toekarena ratsy sy tara indrindra aty afrika i Madagasikara amin’izao fotoana.

 Tafara-dia amintsika ao koa i Guinnée Équatoriale, Angola, Guinée, Swaziland, Nosy Kaomôro, Erythrée, Lesotho, Bénin ary i Côte d’Ivoire. Tsy nandroso fa tena nihemotra mihitsy ny toekarena malagasy satria miiba 2% ny fitomboany. Ny krizy mitarazoka efa ho telo taona moa no mahatonga izany, ary eo ihany koa ny fiatoan’ireo famatsiam-bola avy any ivelany izay tena ilaina amin’ny fampandehanan-draharaham-panjakana sy ny fanaovana tetikasa maro.

Hatreto aloha dia tsy misy ny drafitra maty paika avy amin’ny fitondrana tetezamita hanavotana ny toekarena, na dia maro amin’ireo mpitondra sy mpanao politika aza no milokaloka fa tsy voatery hiandry ny fanampiana avy any ivelany. Ny zava-misy anefa dia mikatso ny raharaha rehetra, tsy tafavoaka i Madagasikara satria mikatona ny «robinet», mitady etsy sy eroa ihany ny FAT saingy tsy mety tena mahita ny vola ampy amin’ny hitantanana ny firenena, hany ka miantehitra amin’ny hetra azo avy amin’ny andramena, izay manifinify ihany raha oharina amin’ny tena vidiny any ivelany. Ny olon-tsotra mandinika sy mijery ny fihetsiketsehan’ireo mpitondra anefa dia mahatsikaritra fa toa misy ihany ny vola, fa vondron’olona voafetra angamba no mitazona azy. Tena ho sarotra ny hanarenana ny toekarena malagasy, satria araka ny fandinihan’ny manampahaizana azy dia ity no krizy sarotra sy mafy indrindra nandalo teto amintsika. Efa mifandray sy mifampiankina mantsy ny toekarena maneran-tany noho ny fanatontoloana, ary tafiditra tanteraka ao anatin’izany i Madagasikara.

Anisan’ireo firenena nahazo famatsim-bola goavana avy any ivelany isika ary an’arivony ireo tetikasa natao tamin’izany, manaraka fenitra io fampindramana na fanomezana vola io, ka rehefa misy ny fandikàna ilay fenitra dia miato avy hatrany ny famatsiana. Ny olana anefa dia elaela ihany ny famerenana ilay izy raha toa ka tafapetraka sy mitombina tsara ilay hoe fanjakana ara-dalàna taorian’ny fifidianana, ary na ireo mpamatsy vola aza mety hisalasala hanome antsika indray, na efa niova firenena hafa iaraha-miasa fa tsy hiandry an’i Gasikara hilamina eo. Ny fanonganam-panjakana nisy teto tamin’ny 2009 no nahalatsaka anaty lavaka ny toekarentsika, ary tompon’andraikitra feno amin’izany i Andry Rajoelina sy izay rehetra niaraka taminy. Mazava izao ny resaka fa tsy mahatafavoaka ny baolina izy ireo, resabe ary nandalo dia niserana fotsiny ny hoe vary mora, menaka mora, namaboana ny fon’ny olona teny an-kianja, na ireo tsena mora aza ankehitriny maloto sy mitsipozipozy ny ankamaroany ary efa ny mpanao afera no maka entana ao. Misavorovoro etsy mikorontana eroa, izao dia namaky ady tamin’ireo mpandraharaha amin’ny resaka andramena an amin’ny faritr’i SAVA indray ny FAT, mampikorontana ny toekarena avokoa izany rehetra izany ary hampitombo ny krizy sy ny fahasahiranana.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

Hijery ny tohiny
FTT