Edito

Lasibatra hatrany an-dapa...


  • Zoma 03 Jolay 2020

Tsy alohalika intsony ny ranombary, fa efa tena hatrany an-tenda. Mora ny nanamaivana ny valanaretina coronavirus tany aloha fa tsy mahery noho ny pesta sy kôlera, saingy indrisy fa efa tena loza mihantra aman’aina no miseho eto.

 Tsy mifidy sarangan’olona ny valanaretina, hany ka lasibatra hatramin’ny any an-dapa izay heverina fa tsara aro sy fiarovana. Misy mpikamban’ny governemanta re siosio fa voa, misy solombavambahoaka, misy minisitra teo aloha,… Iny niaraha-nahita iny fa natao tamin’ny alalan’ny “Video conférence” ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo fa tsy tamin’ny alalan’ny fihaonana mivantana intsony, izay toa mampitombina ilay resaka re fa efa misy voa ao. Ny tiana hahatongavana dia izao hoe: ireny aza sokajiana ho efa tena manana fiainana hafa, avo lenta, olona ambony,… tsy tahaka ny sarambabem-bahoaka mbola lasibatra, mainka fa ny valalabemandry. Tokony hilana fiheverana ity toe-draharaha ity, mila fanamboarana paikady, mila fanajana fitsipika, fa raha izao no mitohy dia ho zava-doza tsy hifankahitana no hiseho eto. Efa rakotra valanaretina ny ankamaroan’ny toeram-pitsaboana, feno marary ny hopitaly, ary io nivoaka io ny hevitra fa afaka misafidy hotsaboina any an-trano ny marary. Miala tsiny, miala fondro, miala salohy fito fa sao mety hampidi-doza antsika io, hoy ilay Filoha iray teo aloha. Ny mpitondra fanjakana mety ho afaka hitsabo tena tsara ihany, mety ho tsara karakara ihany,… fa ny vahoaka madinika sady efa sahirana ara-pivelomana, sempotry ny fitadiavana, trotraky ny adim-piainana, reraky ny fahantrana,… hanao ahoana? Tsy vitan’ny tsetsetra intsony izy ity, tena tsy an-jaza ary tsy mora ny miatrika azy fa ny manan-katao, tena tsy voafehy ka aleo tandrovina ny ainy. Tena aleo misoroka toy izay mitsabo, koa samia mitandrina !

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT