Edito

Lasan-ko vavany fotsiny!


  • Zoma 30 Jona 2017

Lasan-ko vavany toa haron-tabebaka ny filoha ankehitriny, ary miaro tena fatratra. Henjana raha handaha-teny sy hanova ny mainty ho fotsy, ka raha ny firesany tao amin’ny fahitalavitra Frantsay,

dia toy ny Malagasy indray no jamba sy tsy mahita ny fampandrosoana sy ny ezaka ataony amin’ny fanarenana an’i Madagasikara. Firifiry anefa ny fampanantenana sy ny vava nataony saingy firy tamin’ireny no vita na nisy fiantraikany tamin’ny Malagasy. Ambara fa miady mafy amin’ny kolikoly, mampandroso ny fambolena,… Raha am-bava dia mafy sy henjana tokoa fa malemy kosa eo anatrehan’ny fitondrana vahaolana tena miantraika amin’ny vahoaka. Hiakatra 7,5% indray, ohatra, ny vidin-jiro izay efa tena mampikaikaika ny vahoaka saingy inona indray no hambarany? Dia mbola sahy hiteny ihany ve fa mikatsaka ny soa ho an’ny vahoaka Malagasy? Ny hirehareha amin’ny volabe azo tamin’ny mpamatsy vola, izay tsy maintsy nampandeferana ny vahoaka indray aza no mety hatao amin’ny fotoana hiverenana eto. Ho tambin’ny fahazoam-bola anefa dia tsy maintsy hampizakaina vesatra ny vahoaka, ka isan’izany io fampiakarana vidin-jiro io noho ny fitakian’ny mpamatsy vola ny tsy hanampiana ny Jirama fa raha tsy izany tsy mirotsaka any anaty kitapom-bolan’ny mpitondra ny famatsiana. Mba inona anefa no vokatra azo tsapain-tànana amin’ny fiainam-bahoaka amin’ireny vola hireharehana ireny?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT