Edito

“Lasa ny mamba, hisosoka ny voay !”


  • Zoma 13 Jolay 2018

“Lasa ny mamba dia misosoka ny voay” ! Izay no azo hamaritana ny zava-misy amin’izao satria niala ny tolona politika, izay tsy mbola maty fa mbola misy vain’afo miotrika, dia io iaraha-mahita io ny tolona sendikaly.


 Na misy ambadika politika araka ny ambaran’ny mpitondra sasany io na tolona madio, dia tsy mahavaha olana ny fanjakana no azo hamehezana azy. Miziriziry amin’ny heviny sy mbola toa milaza tena ho mafy, ka dia manao didoha sy amboletra hanao fifidianana ihany no mahamaika. Maro ireo zavatra mila alamina sy arindra eto amin’ny firenena mialohan’ny hidirana amin’izany, saingy mety efa mandrimandry tokoa angamba ny tetika maloto ara-pifidianana any ho any, ka mila hafainganina sao hitsefotra eo. Mihevitra ve ny fitondrana fa tena hahomby araka ny hiheverany azy ny fifidianana ka hanaiky lembenana ny hafa ? Ady fiady io na ho an’ireo matanjaka mihevitra fa hahazo ny amboara na ho an’ireo kely hery mba te hitifitra lavitra hahavoazana tendrombohitra rahefa tsy misy ny fitsipika mazava hifanekena sy hifampitondrana. Tsikaritra ho mihetsiketsika fatratra ihany koa moa ireto eo amin’ny seza amin’izao, ka milaza azy ho miasa sy manao zavatra. Mipi-kelika indray fa nahazo vola indray mitete avy any amin’ny mpampanjana-bola, ka dia hoe miasa sy atokisana, ary dia hilaza fa tena mbola mamim-bahoaka atsy ho atsy. Eo vao ho tena gidraka raha mitady ho fetsy, ka raha lasa ny mamba dia handrapaka amin’izay vahoaka leo politika maloto.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT