Edito

Lasa nandeha Rafahendrena !


  • Talata 08 Mey 2018

“Ny Hendry mody voky, ny adala misesika ihany”. “Aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka”. “Aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga.”

Fahendren’ny Ntaolo malagasy tsy nisy tanteraka ireo na iray aza tato anatin’izao fitondrana mijoro ankehitriny izao. Fitondrana hita miharihary fa tsy mety mahay mionona na dia nampivandravandra izao tontolo izao aza ny ampihimamba sy ny gaboraraka kolikoly natrangany. Efa isan’andro no andrenesana ny fametraham-pialan’ny filoham-pirenena sy ny fandravana ny governemanta avy amina ankolafin-kery marobe manerana ny nosy kanefa dia mbola minia manentsin-tsofina ihany ireo mpitondra malagasy. Aiza izao izay fahatapahan-jiro lavareny nifarana teo ? Aiza izay fampandrosoana hita taratra sy fisandratana nitohy teo ? Tsy hitan’ny isam-baravarana nanomboka akory aza izany fisandratana izany. Ny firenen-kafa izay noverezintsika lavitra fahiny aza izao lasa naman’ireo iantsoantsika vonjy mba hivoahana amin’ny krizy nifampitohy. Efa lalana mankany amina krizy vaovao indray isika ankehitriny saingy tsy misy tonga saina ny hilefitra ihany fa dia samy miziriziry sy manao zinona ny hanohanam-bahoaka avokoa, indrindra ireo fahefana mpanatanteraka. Nisy fahalalana vaovao azo mba nampivoarana ny fiarahamonintsika ve anefa ? Ny mampalahelo dia lasa nandeha Rafahendrena kanefa toa tsy Rafahalalana loatra, araka ilay fitenenana, akory no nandroaka azy.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT