Lasa izao!

Na inona ambara sy adihevitra


  • Alarobia 10 Desambra 2025

mitobaka amin’izao fotoana izao dia

efa lasa izao aloha izany no anaran’ity fikaonandoham-pirenena ity! Ny hevitry ny maro mahataka-davitra, hoy ny fahendrena malagasy. Ao ny mankato ilay fitondràna mijoro. Ao ny tezitra manoloana ireo karazana fanapahan-kevitra samihafa, indrindra, karazam-panendrena tomponandraikitra. Iza moa no tsy ho taitra, eny, nisafoaka mihitsy rehefa namafisin’ny FFKM omaly fa ho asaina amin’io fotoana io koa ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Nirina Rajoelina, na dia efa nofoanan’ny fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana aza ny zom-pirenena maha malagasy azy? Mety manana ny antony nandraisany ny fanapahan-kevitra toy izany ireto raiamandreny ara-panahy ireto na dia nampisafoaka ny betsaka aza ilay izy. Atao ahoana fa dia ao anatin’ny atao hoe demokrasia sy fahalalahana maneho hevitra daholo moa izany? Mbola tsy hiresaka ny soatoavina malagasy toy ny teny ieràna, ny fampihavanana, dinidinika ambany tafontrano sy ny tahaka izany rehetra isika. Izany rehetra izany anefa inoana marimarina ary andrandraina mihitsy fa tsy maintsy hisy hiady mafy ny hametrahana ny maha zava-dehibe azy ao anatin’izao azo lazaina hoe fotoan-dehibe ho an’ny firenena an-taonany izao mihitsy no hanatontosàna azy. Ny hisavorovoroan-kilantoana mantsy, hono, ka dia aleo hifanjinja resaka sy hevitra ao tokoa izany na iza izy na iza! Tsy raharahiana ny hoe hevitra avy aiza izany na avy amin’iza na avy amin’ny antokon’iza sy fikambanan’iza fa hitosaka ao ny hevitra dia ho atao toy ny voankazo an’ala ao. Ny mamy atelina ny ngidy arora. Izay izany no ho fandehany, raha izao fiaingany izao aloha. Heverina fa rariny amin’ny maha olombelona ny hoe io fa misy tezitra ary ireo nahatsapa tena ho tena nitolona no ankamaroan’ireo tsy faly satria dia nanara-baovao izy ireo nialohan’ny nidinany teny an-kianja teny. Hitany avokoa hoe toa ranona ihany no naverina nefa efa fositra tao anatin’ilay fitondràna teo aloha teo? Toa mbola ilay fomba tahaka izao ihany no mitranga nefa fanovàna no nandrandraina? Manana herintaona mahery izany isika izao handaminana ny tokantrano ka dia lasa izao!
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

  • Mamafy rivotra !
  • Zoma 11 Septambra 2026

Fomba firesaka ifandovan’ny

Hijery ny tohiny
FTT