Edito

Lasa isika raha mahay !


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Fahagagana sy fitsimbadihana ara-politika lehibe sisa fara-fanantenan’ny fanjakana ankehitriny hahafahany mijanona eo amin’ny fahefana.


 Manantena fitoniana eo anatrehan’ny mety ho fanelanelanana na tarihin’ny eto an-tanindrazana na ny avy any ivelany. Tsy mety midinika an-databatra boribory aloha ny mpitari-tolona ka inona tokoa moa izany no hitranga raha hiziriziry amin’ny heviny izy ireo hoe: tsy maintsy miala ny mpitondra mpanao kolikoly sy mpambotry firenena ? Mety ho teboka niabo ho an’ny fitondrana tetezamita tokoa angamba ny hoe nihodina ihany ny raharaham-pirenena na nitotongana aza ny fiainan-dRamalagasy nanomboka ny Krizy 2009. Ratsy ny fitantanana ary nanjaka ny afera isan-karazany. Tsy takona nafenina tokoa fa tsy dia nisy ny fanampiana iraisam-pirenena satria voasazy ny mpitondra. Ny hita anefa hatreto aloha, dia na nisy na tsy nisy ny fanampiana, tsy mipaka velively any amin’ny vahoaka Malagasy na mirehareha aza ity fanjakana ity fa miverina ny fitokisana. Niainga tamin’ny harena teto ankoatra ny volabe navelan’ny fitondrana teo alohany ny tetezamita. Sao dia kihon-dalana lehibe iray izao fotoana izao hanehoana fa mahavita azy ny firenena ? Tsy sanatria hanilika ny vahiny fa hametraka kosa hoe izao no tombontsoam-pirenena, ka tsy mila miankin-doha fa mivelona sy miaina amin’ny eo am-pelatanana. Miara-miasa fa mazava ny fitsipi-dalao sy ny tombontsoan’ny an-daniny sy ny an-kilany, ka tsy hambakaina lava eto isika. Afaka mivelona amin’ny hareny ny Malagasy na tsy afaka mitrandraka an’ireo aza. Maro kosa no misisika eto fa isika no mila mahay mametrapetraka ny tombontsoantsika. Lasa isika raha mahay !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT