Tongotra mby an-dakana ny fifidianana depiote, ka miandry ny lisitra ofisialin’ireo mpifaninana aloha izany isika mianankavy.
Efa mazava kosa fa very lavitra ny antoko na vovonana politika mitahy ny tsy miankina. Ahitana sokajin’olona isan-karazany ity fifidianana ity, ary tena manomboka mitady ho takona ny mpanao politika. Politika anefa no atao, ka tena hahafehy ny zavatra takiana sy ny anjara asan’izany solombavambahoaka izany ve ireo mihazakazaka amin’izany? Matoa ihany koa anefa mbola tahaka izao ny firenena, dia isan’ny tompon’antoka sy sakana ny mpanao politika. Na izany aza lalàna hanasoavana ny firenena no hodinihina sy hapetraka ao saingy manomboka lasa bizina izy ity. Fahita tamin’ny andron’ireo depiote teo aloha ny resaka malety satria tsangan-tànana iray dia mety novidiana 40 tapitrisa ariary tamin’izany. Lojika raha maro no roboka satria misy ny mihevitra fa fampitomboan-karena io satria hanana zo tsy azo henjehina, halalaka amin’ny afera,… Firifiry tokoa moa ny depiote teo aloha manana dosie maloto amin’izao? Rehefa lasa miendrika bizina io, dia mazava ho azy fa ny vola no tena miteny, tsy misy feon’ny fieritreretana sy fiheverana ny valalabemandry intsony avy eo. Mora baikoana sy hampiasaina amin’izay hitiavana azy, ka ny mananga-tànana sy midokadoka governemanta no tena anton-draharaha ao Tsimbazaza. Mila olona be mokon-doha afaka mandon-databatra, mipetraka ho arofanina, hanaitra, hanery, hampitahotra, na hanongana ny filoha sy ny governemanta mihitsy aza raha ilaina sy mitombina izany, raha vantanina ny resaka! Ny antenimieram-pirenena no arofanina farany hahafaha-mametraka fifandanjan-kery ara-politika. Miketrika mafy ny hahazoana ny maro an’isa ny fanjakana ankehitriny sy ny antokony satria fantany tsara fa tsy afaka hanao izay saim-patany izy ireo ary ho voatsikera sy ho voahozongozona vao misy ny tsy mety. Anjaran’ny vahoaka no misaintsaina sy tena mahay mametraka izay olona hisolo vava azy, fa tsy hiray loha amin’ny tsy mety sy hitsikombakomba amin’ny afera maloto ohatra. Ny misy aloha hatreto, dia mizotra any amin’ny hoe: izay rehetra fomba handresena dia hatao avokoa ka rehefa olona mety malaza, mahazaka olona,… dia harotsaka ka rehefa lany indray mahita ny tohiny. Sarotra tokoa ny hitsara dieny aty am-boalohany fa ao anatiny ao ho hita eo ny afitsoky ny tsirairay, ka aleo asiana fandaminan-tsaina amin’ny hoe: ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa e!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.