Edito

Lasa anjely tampoka !


  • Talata 20 Jona 2017

Manadio tena fatratra manoloana ny tsy fahafehezana ny firenena sy ny famotehana natao ny fanjakana Rajaonarimampianina.

Voizina indray ankehitriny fa tsy ny filoham-pirenena no ratsy fa ireo olona manodidina azy. Ambara mihitsy aza fa manararaotra ny maha akaiky ny filoha azy izy ireo, ka manao izay saim-patany amin’ny fangoronana ny harem-pirenena. Mandeha ny hevi-petsy sy ny mody ady an-trano, ary porofon’izany ny raharaha momba ilay ramatoa malaza be ankehitriny noho ny resaka kolikoly. Vao mainka anefa nijabaka, ka tratry ny hoe ny lohany indray no matsatso sy ny hoe saribakoly fotsiny. Mandeha ny sarimihetsika isan-karazany ka hampitomboina ny seraseran’ny filoham-pirenena ary ezahina haseho andro aman’alina fa olo-mendrika sy mitsinjo ny vahoaka ny filoha ankehitriny, ary tsy mba nanam-pahadisoana saingy sendra ny mpamorika sy mpamosavy malemy. Dia mihevitra ny Malagasy ho vendrana sy kentrina mihitsy, ka manantena ny ho afa-maina sy mbola higalabona eo amin’ny fahefana hahafahana mambotry sy manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena. Efa tantara mipetraka ny laza ratsy sy ny nafitsoky ny fitondrana Rajaonarimampianina teto, ary tsy adala ny vahoaka ka hanaiky lembenana amin’ny fita-bitro kotrehina ankehitriny. Dia miezaka manafotsy ny efa mainty amin’ity fitiavan-tanindrazana hosoka ka mihevitra ny Malagasy ho dondrona.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT