Edito

Lasa anjely latsaka an-tany !


  • Alarobia 08 Mey 2019

Mandeha ny fampielezan-kevitry ny fifidianana solombambavambahoaka, ary maro ny zavatra hita taratra eny.

Miha mafampana sy mahoraka aloha ny tontolo politika ary somary maresadresaka ny tanàna amin’ny ankapobeny noho ny propagandy. Samy manana ny fomba anehoany an’io, fa ny hita taratra aloha dia manomboka hita taratra ny fomba fitondran-tenan’ireo kandida sy ny mpiara-dia aminy. Misy ny manao dadabenoely tena mizara zavatra etsy sy eroa, ary mety ho vola aza angamba ny an’ny sasany. Mampahatsiahy ilay teny vahiny iray izay hoe: “Ny famoahana sy fampiasana io vola io dia mamorona harena”, hany ka dia hampiharina aty amin’ny politika ilay izy. Manao izay ho afany mihitsy ary mety mandany amina miliara ny sasany, indrindra fa ireo efa nahita tsirony tao Tsimbazaza tao, ka te hitazona mafy io toerany io. Misy rahateo ny malaza ratsy sy manana dosie maloto, ka raha tsy lany eo dia mety ho lasa vato kiboribory sy hihinana “gagazo” eny Antanimora na Tsiafahy, raha ny fahitana azy. Toa tahaka ny tsy izy ery ilay malaza ratsy amin’ny fanondranana boaderozy, toa tsy izy ery ilay voatonontonona ho mpanao aferan-tanim-bahoaka na tanim-panjakana, toa tsy izy ery ilay malaza amina asan-jiolahy sy afera maloto,… fa tena lasa anjely latsaka an-tany manasoa sy manakaiky vahoaka satria ilainy amin’iny iray andro handatsaham-bato iny. Ao ihany koa ireo sasany dia tena maneho sy mampidera mihitsy fa kandidam-panjakana ka afaka manao izay tian-katao, raha ny hita any Toamasina sy Mahajanga any.  Ny vahoaka no mila mandinika sy tonga saina hoe: nahoana i Rakoto na Rabe no tena mahavita mividy sy mizara vola ho an’ny mpifidy  na koa mandika lalàna mba hahazoana io seza io? Tsarovy fa mety avo folo heny na zato heny amin’iny homeny anao iny hokotrehiny ho azo rehefa tonga eo, fa ianao hohadinoiny. Mandeha ny fampielezan-kevitra, fa mirefotra mifanindran-dàlana amin’izay ihany koa ny afera maloto, ny kolikoly avo lentan’ny mpitondra, ny laza ratsy,…Ny tena tsy azo lavina eo anatrehan’ireny rehetra ireny, dia mahantra sy sahirana ny Malagasy ka toa tsy manam-potoana hisainana sy handinihana lalina intsony, ka hararaotina amin’ny fahalemeny!

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT