Edito

Lasa aloha…


  • Alakamisy 07 Desambra 2017

Efa iaraha-mahita ankehitriny fa miezaka manindraindra an-kolaka, izay mety ho kandidany amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018 ny antokon’ny fitondram-panjakana HVM.

 Mitety faritra ary efa ahitana taratra sahady izay mety ho fampiasana ireo fitaovana sy olom-panjakana amin’ny propagandy toy izay efa nitranga tamin’ny taona 2013 ihany. Raha ny sitrapon’izy ireo angamba dia ho zary lasa valala mitaha amin’ny lolo, zahatra mitaha amin’ny lakana na amberivatry mitaha amin’ny amontana sisa no ho fahitan’ny vahoaka ireo kandida hafa hitaha amin’izy ireo. Na eo aza anefa ny ezaka fangalarana fiaingana rehetra efa vakiana fotsiny, araka ny fitenin’ny tanora, ataon’ny HVM dia toa ny mifanohitra amin’izay noeritreretina ihany ity no mitranga satria dia tsy vitsy ny tomban-tambazotran-tserasera maneho fa any amin’ny laharana faha 4 any vao mety ahitana ny filoham-pirenena ankehitriny raha mbola kandida amin’ny fifidianana izay ho avy manaraka eo. Tsy adala ny vahoaka na manampi-maso ka tsy ahita izao fidanganan’ny vidim-piainana miharihary izao. Matoa nisy ny haintany tamin’ny fiandohan’ny taona dia nisy tsy fahaizana sy tsy fahafehezana ny lafiny serasera tao ka tsy nahatafita ny fanentanana ho amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ary nampirongatra ny doro tanety.

Mbola hisy fanabeazana ara-pifidianana ho tafita koa ve nefa aloha amin’izao fotoana farany izao? Raha tsy ho lasa aloha koa aza ny fifidianana! Mampanahy ihany ny anton’ity propagandy mandeha be mialohan’ny fotoana ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT