Edito

Lany rora ny mpialona !


  • Talata 21 Martsa 2017

Fomba fiaina sy fomba fisaina tsy afaka amin-draolombelona mihitsy ity fialonana ity.

Rehefa io no manjaka dia tsy misy zava-banona intsony fa dia tsy misaina afatsy ny hanimba sy hisakana ny fahombiazan’ny hafa sisa no hany laharam-pahamehana. Tafiditr’izany ny resa-politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao, foy ny eo amin’ny fitantanana ny renivohitr’i Gasikara. Dia tena manao izay faraheriny mihitsy ry mpitsivalampandry noho ny fialonana, ka lasa mpiaro ny tsy ara-dalàna, ary te hisongona mafy ny ben’ny tanàna… Ny tena loza dia foronina daholo izao atsanga tsy aman’orana izao mba handotoana ny ben’ny tanàna mivady. Tsy adala anefa ny vahoaka. Mafy kosa anie izany hoe ny hafa manana fahefana sy fahalalahana ho any ivelany, ka sady afaka miala sasatra no mitady mpiara-miasa hanasoavana ny firenena e ! Ny rehetra rahateo mamoha varavarana satria fantany ny olona mendrika sy mahavita azy. Ny hafa kosa lany rora mivazavaza etsy sy eroa, ny hanenjika sy handoto ary hikapa ranjo ny hafa no hainy, saingy tsy misy mpihaino, ary efa tsy nisy mpihaino hatrizay matoa tsy nahazo afa tsy 1% na 2% . Tsara kokoa angamba ny mandini-tena vao miteny mba tsy hotondroin’ny olona molotra intsony !

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

Hijery ny tohiny
FTT