Edito

Lany henatra tanteraka !


  • Talata 19 Desambra 2017

Mbola nabaribarin’ny lehiben’ny antokon’ny fitondrana indray ny fankahalana sy ny hanakanana kandida iray atahorany mafy amin’ny taona 2018.

Ezahina fohazina hatrany izao atsanga tsy aman’orana hoenti-manasoketa izao hoe tsy nahaloa hetra, nandika lalàna,… Alamino aloha izay avy eo mahazo mirotsaka, hoy izy. Fa iza no nanda tsy hanara-dalàna teto ? Iza no tsy manome ny onitra ho tambin’ny fahavoazan’ilay orinasa nodorana sy norobaina, izay efa voafaritry ny tondrozotra ? Ny tahotra no mameno ny atifanahy, ka zary tonga amin’ny fitenenana hoe : “rehefa tiana hovonoina ny alika, dia lazaina fa romotra”. Mbola manaporofo hatrany ny hakanosana ny ho very seza hatrany, ka dia efa miteniteny foana indraindray. Mirehareha sy matikambo amin’ny hoe demokrasia sy fahalalahana, saingy demokrasian’ny kanosa sy ny tsy mahatoky valera sisa no mety eto. Efa tena lany henatra sy tsy miheno feom-bahoaka, fa te hampisotro ny Malagasy ny efa rano tsy tiany. Tsy mbola misy manilika ny fitondrana ankehitriny aloha izao, saingy efa fantany hatry ny ela fa tsy hahazo sitraka amin’ny Malagasy intsony izy satria fantany ny nataony. Aleo hilatsaka ny rehetra dia ho hita eo e ! Tsy adala ihany koa ny vahoaka handeha hanilika raha hitany fa nanasoa azy. Tsy izay no miseho fa teren-ko masaka fotsiny hoe izahay no eo dia izahay hatrany aloha. Efa andevom-pahefana sy lany henatra, fa tsy manan-kambo e !

Toky R

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT