Lany henatra !

Miharatsy hatrany ny fiainam-pirenena, ary miha zava-doza


  • Zoma 10 Janoary 2025

manaraka izany ny fiainam-bahoaka ankehitriny. Samy manana ny manahirana azy ny vahoaka entina sy ny mpitondra.

Miha sahirana andro aman’alina ny Malagasy, kanefa mihamitombo isan’andro ihany koa ny amboletra sy ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra. Ny zava-doza, mbola fanadiovan-tena sy fiarovan-tena an-jambany ary fampitenenana ireo mpiara-migoka tombotsoa na fampiasana ireo rafitra samihafa hanamafisan-tseza no atao fa tsy fanintsiana ny dia sy fijerena izay tena soa ho an’ny Firenena. Taorian’ny filazana fa hampindram-bola an’i Kaomoro 6 taona lasa, dia ry Mali sy Soudan indray no zary lasa raisina ho ohatra na « référence » ka mbola mandroso noho ireny hono isika. Ary raha mba maka tsy lavitra sy manao fanoharana amin’ireo nosy manodidina toa an’i Seychelles sy Maurice izay efa lasa lavitra be ara-toekerana, misitraka herinaratra 100%,… Dia mby aiza i Madagasikara ? Izany ve no atao hoe : fitantanana mahomby ? Izany ve no mpitondra mendrika indrindra aty Afrika ? Tsy mba menatra ve sa lany henatra tanteraka e? Mandeha amin’ny kisendrasendra sy ny kianjoanjo eny, tsy misy sori-dàlana mazava hitondrana ny firenena sy hiatrehana ny olana, fa arakaraka ny zava-misy sy mitranga. Dia io iaraha-mahita io ny fomba fiasa toy ny resaka fampidinana vidim-bary. Ny tolotra sy ny tinady no mifehy ny tsena, saingy mivadika velirano ny hampidina 750Ar ny kapoaka amin’ny alalan’ny vary hafarana izay mety hisy fanentsenam-bidin’ny Fanjakana. Tao anatin’ny firy taona nitantanana Firenena ve dia tsy nahita vahaolana tena marin-toerana ? Dia tsy fantatra ve fa isan-taona misy foana ny maitso ahitra ? Mbola ny kirendrarendra sy haingo ambony tsikoko aza no hihazakazahana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT