Edito

Lany henatra ?


  • Zoma 23 Jona 2023

Asa mbola sahy hiteny ihany ve ireo minia mikipy milaza fa tsy misy krizy eto ary tena miasa ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka Malagasy ny Fitondrana volomboasary?

Inona no olana tsy miseho amin’ity firenena ity ankehitriny ? Tafakatra ho 5024,45Ar ny sandan’ny vola Ar omaly 22 jona, 4 andro mialohan’ny fankalazana ny faha-63 taona nahazoana ny fahaleovantena, izay midika fa mitotongana ambony ambany ny toekarena, vizana ny vola Malagasy, tsy voafehy ny fidangan’ny vidim-piainana, mitotongana ny famokarana sy ny fanondranana,… Efa ho lava ny fampanantenana poakaty, izay mbola mirarakopana aty amin’ny 3 volana tsy hifaranan’ny taom-piasan’ilay Filoha am-perin’asa. Akoho tsy naneno ohatr’izay tokoa angamba efa lanin’ny kary ary ampy kosa angamba izay ny kobaka am-bava! Ny delestazy aza 5 taona tsy voavaha, mainka fa olan’ny firenena? Mbola mandeha indray anefa ny kabary mirefodrefotra tany ampitan-dranomasina omaly, ka nilaza ilay efa nolazaina tany Maroantsetra, fa ny Raim-pianankaviana mahavita azy, dia ny raim-pianankaviana mahavelona ny ankohonany, ary ny Filoha tena mahomby, dia ny Filoha mahavita mamoky ny vahoaka tantaniny. Hampiakatra 13% ny taham-pamokarana, izay hanome 500 000 taonina fanampiny hono. Nambara fa tanjon’I Madagasikara ny hamerina antsika ho sopitry ny vary toy ny tamin’ny taona 70-80. Dia asa re hoe: iza no niteny fa tsy afaka hiandry vary 2 taona vao miakatra ka nirehareha fatratra ny fanafarana entana tamin’ny sambo ho fampandrosoana? Asa iza ilay nilaza fa hahazoana vola kokoa ny mamboly artemesia noho ny mamboly vary? Iza no tsy niraharaha ny resaka famokarana fa nanatontona vola tsy toko tsy forohana tamin’ny kirendrarendra toy ny kianja nandaniana 77 tapitrisa dolara, teleferika hitrosa 150 tapitrisa dolara,… Dia efa tena tandra vadin-koditra mihitsy ity tari-bato vilam-bava ity, ka hafa ny lazain’ny vava ary hafa no tondroin’ny molotra. Ilay vava be tamin’ny filazana fa tsy mila famatsiam-bola amin’ny mpamatsy vola mahazatra moa dia eeeee! Niantso ny Fianakaviambe iraisam-pirenena hamoaka ny tahiry maitso 100 tapitrisa dolara ho an’ny tontolo iainana indray omaly. Fanintelony raha kely io, tetikasa efa tamin’ny 2009, saingy asa na mbola manan-kambo ihany na efa nanjavona niaraka tamin’ny mpaminany Johana de Araujo ihany koa izany?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

  • Porofoy sy asehoy
  • Zoma 24 Aprily 2026

fa tsy mivaona! Mitady ho difotry ny

  • Edito
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Mbola mitady tia tanindrazana!

Hijery ny tohiny
FTT