Edito

Lany fotoana


  • Talata 19 Martsa 2019

Vola ny fotoana, hoy ry zareo japoney izay. Izany toetsaina izany no naha resy lahatra azy ireo tsy handanindany fahatany io fotoana io fa hamadika ny fotoanany ho vokatra hatrany.

 

Io fotoana io tokoa tokoa no hany singa iray azo antoka fa tsy ho resin’ny zanak’olombelona na hoviana saingy azo ifanarahana amin’ny alalan’ny fahaizana mitantana azy kosa anefa. Rehefa tsy hay ny mitantana ny fotoana dia mandeha mitsoaka anao izy ary fahantrana toy izao mitombo eto amintsika izao no hapetrany. Tsy vita tao anatin’ny 58 taona, hono, ny fampandrosoana. Ny mahagaga amin’ilay olona nilaza io fehezanteny io dia toy ireny tsy mba nandray anjara tamin’izany fampandrosoana tsy tontosa izany ny tenany. Fa iza moa no tompon-kevitra sy nanongam-panjakana tamin’ny 10 taona lasa ka na ny harin-karena efa mba niarina volana vitsy nialoha izany dia navariny ho tonga fahantrana lalina iainantsika ankehitriny indray? Raha hitady ny lafiny mampahantra ny Malagasy ankehitriny angamba isika dia mahamenatra no hilaza azy satria azo antoka fa ho maro tsy voatanisa ary azo porofoana avokoa na fahantrana ara-tsaina io na ara-panahy fa tsy ireo hita maso toy ny politika sy toekarena ary sosialy ihany. Tsy ekipan’ny fitondrana ankehitriny tao amin’ny boriboritany fahadimy tao ve moa no fatra-pitsikera ny ben’ny tanànan’Antananarivo vao lany tamin’ny fotoan’androny hoe raharaham-pianakaviana fotsiny ny ao amin’ny kaominina ao fa ny vadiny ihany no mpanolontsaina manokan’ny ben’ny tanàna? Iza anefa moa ankehitriny no iray lisitra aminy hilatsaka ho depiote ao raha tsy ny vadiny ihany koa? Lany fotoana isika ankehitriny mametraka fomba fiasa sy rafitra mankany amin’ny tsy mandeha amin’izay laoniny tanteraka. Kianina lalandava ny teo aloha kanefa gaigy noho ny nataon’izy ireny aza no hita ho mitady hatao ankehitriny. Lazaina fa tsy nana-poto-kevitra ny teo aloha fa noho izy “sady bogosy no mpanana” no nitarihana hifidy azy. Nolazaina fa tsy tokony hanao politika ny mpandraharaha. Fa tokony ho rakofana mpanakanto sy artista isan-karazany indray izany ve izy ity manomboka izao mba entina hilazana fa tena mitondra zava-baovao tokoa izao fitondrana izao hanakonana ny tetikasa vary mora izay efa lany andro sy nanakonana ny tsy fahombiazana tamin’ny tetezamita?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

  • Tsy misy toerana ho
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

an’ny hadisoana !

Hijery ny tohiny
FTT