Malagasy an-jatony indray izany izao no voatery hitsahatra sy hiato ara-teknika satria akatona sy potehina noho ny lonilony politika ny orinasany. Ny tsy fitiavana sy ny tahotra an’i Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana no hoenti-misompatra Malagasy an’arivony miasa amin’ny orinasany.
Izay tokoa ve ilay hoe programan’ny fisandratana 2030? Tsy afaka mifandamina fa ny hambo-po politika no mibaiko, ka potehina hatramin’ny fiainan’ny vahoaka tsy manan-tsiny. Rehefa avy norobaina sy nodorana, kanefa mbola tafarina noho ny finiavana lehibe, dia tonga indray ny vely kanonta. Toa mampahatsiahy ny tenin’ilay mpanao politika malaza fahiny izay efa miara-dia amin’ny HVM ankehitriny hoe : raha misy Ravalomanana kely be dia be eto dia tsy ela dia mandroso i Madagasikara. Tsy tsara kokoa ve ny mifaninana sy manangana toa azy, fa tsy ny manapotika raha te hampiseho hery ? Mahafaly ve ny mahita ny fiainana Malagasy mahazo asa mivantana an-jatony sy an’arivony tsy mivantana mba efa niaina sy namelona fianakaviana an’aliny ? Ny orinasan’ny Malagasy mitovy amin’ny tena no atao fahirano satria drokidrokian’ny vahiny mpangoron-karena, ka aleo angamba tsy mihatsaravelatsihy etsy sy eroa amin’ny filazana fa hampandroso firenena. Toa mpitondra lany fanahy sy maty eritreritra no hita eto Madagasikara. Heverin’ny fanjakana fa hahomby hatrany io famotehana ny hafa sy fampiasana volabe tsy toko tsy forohana hanakaramana olona hamadika tanindrazana hampahomby ny tetika malotony io. Tsy hay aloha na mahay maka lesona na minia mikipy sy manadino ny tantara, fa in-dray mipimaso anie, dia mety ho levona io fanjakana io e ! Ny ampitso no hitsara!!!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.