Edito

Lany andro mitangirika


  • Zoma 08 Desambra 2017

Nigadona omaly teto an-tanindrazana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, rehefa avy nanao fitsidihana tany Japon nandritra ny andro maromaro niaraka tamina delegasiona maro be. Nisy ny fifampiresahana tany, ary dia nahazo toky tamin’ny mpitondra ity firenena ity indray fa hanohana an’i Madagasikara izy ireo.

Ny fomba fiteny ara-diplomatika amin’ny fihaonana tahaka ireny tsy maintsy mandeha foana. Nisy ny vola nomen’ity firenena ity, saingy tsy tongatonga ho azy tahaka ny fanomezana rehetra fa mila tambiny avokoa na trosaina. Izay no hiainan’ny fanjakana HVM, mandeha mitangirika atsy sy aroa. Tsy misy ny tena vina sy ny jery lavitra ho amin’ny fampandrosoana fa miankina amin’ny vola azo amin’ny fitetezana firenena. Aty amin’ny 4 taona nitondrana mbola mitangirika vola sy mitady fitokisana no anton-draharaha satria tsy atokisan’ny olona, hany ka tsy hita izay tena fampandrosoana mivaingana sy miantraika amin’ny fiainam-bahoaka. Adino tanteraka ny famahana ny olan’ny besinimaro satria mbola lany andro amin’ny fandresen-dahatra mba hotohanan’ny vahiny. Ny kajy politika hibodoana fahefana moa mbola asa be kotrehina andro aman’alina. Vahaolana petatoko no misy manoloana ny fahasahiranam-bahoaka efa tena tofoka sy leo. Avy any Japon ny filoha, dia re indray fa hanainga ho any Frantsa ny alahady ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana. Mandeha ihany sy mandeha hatrany mitady fitokisana sy mangata-bola, saingy ny tanindrazana sy ny harem-pirenena hahafaha-manarina an’i Madagasikara kosa ny kelimaso sy ny lava orona mpiray tsikombakomba amin’ny mpitondra no migalabona aminy. Maty eritreritra ?

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Anatra ho an’ny sisa !
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Mafana ny resaka dosie

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

Hijery ny tohiny
FTT