Edito

Lany andro mihantsy ady!


  • Talata 03 Septambra 2019

Tsy hita izay zavatra tena mandeha amin’ny laoniny eto amin’ny tany sy ny fanjakana.

 

 

Zara aza aloha nisy ny fahombiazan’ny Barean’i Madagasikara tamin’ireny fotoanan’ny CAN ireny nahafahana nanakona ny tsy fahombiazana. Izao indray mba maka rirany any amin’ny fandraisana ny Papa François, ka mandeha ny politikan’ny haingo ambony tsikoko amin’ny haingo, fanadiovana, fanamboaran-javatra,… satria handray vahiny manan-kaja. Raha ny hita teto hatrizay, miaraka lasa amin’ireny olona ireny ny fanatsarana sy fandaminana, ka miverina amin’ny laoniny ny tsy fetezana samihafa avy eo. Tsy misy mandeha amin’ny laoniny kosa ny famahana olana ara-tsosialy eto mampikaikaika vahoaka. Mirongatra ny tsy fandriampahalemana, midangana ny vidim-piainana satria saika miakatra avokoa ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny andavanandro (PPN),… Tsy manana vahaolana mafonja ny fanjakana Rajoelina, fa toa any amin’ny fanenjehana mpanohitra sy mpanao gazety indray izao no laharam-pahamehana. Sanatria ve ireny iniana atao mihitsy mba tsy hifantohan’ny sain’ny olona any amin’ny olana samihafa tsy hananan’ny fanjakana vahaolana mahomby ? Toa mikatso ny zava-drehetra, ny diplomasia tsy mandeha satria mbola mikatso ny fametrahana masoivoho any ivelany, ny mpamatsy vola tsy tena mbola mahatoky ny mpitondra, hany ka mikatso ny IEM,… kanefa mbola manam-potoana hihantsiana ady ihany ny mpitondra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Enga anie mba tsy ho…
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Faheno tamin’ny Fitondrana teo

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

Hijery ny tohiny
FTT