Lany andro

mifandrirotra sy mifanasa vangy ?


  • Alakamisy 07 Mey 2026

Tsy mora ny mitantana firenena,

indrindra fa firenena vao avy nandalo krizy sy mbola eo am-pitadiavana lalan-kivoahana tahaka an’i Madagasikara. Ny te hamingana mbola eo, ny te hitazona ny fomba fanao sy ny rafitra tsy mahomby ihany koa mbola manao ny ataony. Misy ny ezaka sy ny finiavana ary manomboka hita taratra indray ilay finiavana handeha mafy sy haingana na betsaka aza ny sakana : vatsim-pianarana niakatra 20% izay tsy nisy tao anatin’ny 10 taona mahery, fijerena ny fomba hampiakarana ny karaman’ny mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, fiverenan’ny fandraisana mpiasam-panjakana toy ny mpampianatra izay efa mba nisy fijerena manokana ny tambin-karama,… Ampahany ireny, saingy tsy midika fa takon’ireny ny olana, ary mety tsy hahafahana mandrefy ny fandrosoana sy ny fivoarana satria mbola mitoetra ny olana, mbola marefo ny toekarena, mbola mafy ny fiantraikan’ny korontana eran-tany,… Manampy trotraka ny mety ho tsy fahafaha-manoatra noho ny antony maro toy ny tsindry sy fepetra iraisam-pirenena. Sarotra ny hanao kopisoroka eo anatrehan’ny dingana nolalovana izay mety nisy nifanipaka : ravaina ny rafitra rehetra, tsy ravaina indray satria noho ny rafitra misy no naha ara-dalàna ny Fanjakana, fisorohana ny sazy iraisam-pirenena, filàna famatsiam-bola,… Mandeha ny fifandroritana, mandeha ny fialokalofana sy fifampiarovana ao anaty andrim-panjakana isan’ny notakiana teny an-kianja ny handravana azy,… Samy manana ny heveriny fa mety, fa dia ny fikaonandoham-pirenena no mety hamaritra izay hatao. Na izany aza, tsy afaka ny hitarazoka sy hifandrirarira lava eto isika satria ny firenen-kafa lasa ihany. Ny firenena sasany aty Afrika izao efa ny fihazakazahana ara-toekarena taorian’ny naha afa-bela azy tamin’ny trosa iraisam-pirenena no adihevitra, ka sao lany andro hifanasa vangy lava eto e ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Alamina miandalana!
  • Alarobia 06 Mey 2026

Tsy misy fiarahamonina

  • Na izany aza… !
  • Talata 05 Mey 2026

Hanomboka fivoriana ara-potoana

  • Miandrandra ny
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

mety kokoa hatrany!

  • Tsy afa-mihemotra intsony!
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Azo lazaina ho tsy afa-mihemotra

  • Tsio-drivotra hafahafa !?
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Isehoana trangan-javatra

  • Mbola tetikasa milevina!
  • Talata 28 Aprily 2026

Nalaza an-taonany maro ho

Hijery ny tohiny
FTT