Edito

Lany andro miady hevitra


  • Talata 31 Mey 2016

Anio no hotontosaina eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny fifidianana izay ho solontenan’ity andrim-panjakana ity eo anivon’ilay sampana mpanara-maso ny fampiharana ny fanjakana tsara tantana sy ny fanajana ny demokrasia na ny Hcdded.


 Kandida fito no voafantina hifaninana amin’izany raha toa sivy no nandrotsaka ny taratasy filatsahan-kofidiana tany am-piadohana. Henjana ny sivana satria nojerena avokoa na ny taona na ny mari-pahaizan’ny kandida sy ny mombamomba azy rehetra. Ny mahalasa saina fotsiny indraindray dia toa ny mametraka olona sy rafitra no tena mahamaika, asa noho ny tery vay manta ataon’ny firenena matanjaka sy ireo mpamatsy vola fotsiny ihany no ametrahana azy fa tsy misy faharesen-dahatra akory. Tsy hita izay tena vokatry ny asa na ny fanaraha-maso ny asa avy eo. Miantoka ny fifandanjan-kery politika amin’ny tany milaza azy ho demokratika ny fisian’ny Antenimieram-pirenena mba ho sehatry ny adihevitra sy ny fifanakalozan-kevitra, saingy toa tsy izany anefa no zava-misy fa izay olom-boafidy avoavo feo sy maneho hevitra manembantsembana dia amoronana disadisa ary soketaina ho mpanongam-panjakana. Tsy zaka ilay fizarazaran-kevitra fa fironana iray ihany no tiana hapetraka. Ny zo fototra sy ny lalàna iorenan’ny atao hoe tany tan-dalàna sy manaja ny demokrasia mihitsy no tsy mipetraka intsony ka na zo tsy maty manota na tsiambaratelon’ny asa dia samy manana ny tiany handikana sy hamakiana izany làlàna izany ny tsirairay arakarak’izay maha diavolana ny sainy dia izay no mandany ny andro.

Rabri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Minia mikipy,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

efa zatra tsy mivaky loha

  • Aoka tsy hanao
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

tari-bato vilam-bava !

  • Mila maka lesona !
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Na iza faly na iza tezitra,

  • Hanao ahoana
  • Talata 22 Septambra 2026

sy ho tonga hatraiza ?

  • Mianatra!
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Samy mila mianatra

  • EDITO
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Mila miova raha te hanova ?

Hijery ny tohiny
FTT