Lany andro manamarin-tena !

Faninefany nandiso ny tarehimarika


  • Alatsinainy 28 Aprily 2025

navoakan’ireo sehatra iraisampirenena

izany izao ny filoham-pirenena malagasy raha ny mikasika ny filazàn’izy ireny ny fahantran’i Madagasikara no ambara. Teo ny nandritry ny fandaharana manokana niarahany tamin’ireo mpanao gazety teto an-toerana. Teo ny nivahinianany tamina fahitalavitra vahiny tamin’ny alalan’ny fidirana mivantana. Teo ny fivahinianana manokana tao amin’ny fahitalavim-pirenena ary farany teo dia nanoloanana mpanao gazety vahiny indray nandritra iny fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena anaty COI iny. Na voalohany, na faharoa, na faha 5 na faha 10 mahantra indrindra eran-tany no ambaran’ny banky iraisampirenena na BM sy ny tahirim-bola iraisampirenena na FMI, hoy ry zareo fiarahamonim-pirenena izay dia mahantra foana no anaran’izany. Misy tsy fahampiana amin’ny lafiny maha olombelona, araka ny filaharana anatin’ny antsoina hoe telozoron’i Maslow na «Pyramide de Maslow» ao. Resaka filàna fototra izany ary fomba fandrefesana efa nandalo taonjato sy taona maro, raha toa ka tsy ho raisina, araka ny nambaran’ny filoham-pirenena malagasy, indray izany ny an’ireo rafitra ankehitriny toy ny FMI sy BM na koa ilay rafitra soisa Watson voalaza teo. Firy isan-jaton’ny malagasy tokoa moa izany izao no manana izany antsoina hoe fahatomombanana ara-tsakafo na «sécurité alimentaire» izany, raha io telozoro io indray no andrefesana azy? Mbola tsy resahana akory eto ilay ankalazaina amin’izao fotoana izao hoe «fahavitan-tena ara-tsakafo» na «autosuffisance alimentaire» nefa isika fahiny nalaza ho firenena lohalaharana tamin’ny famokarana vary. Firy isan-jaton’ny malagasy no manana trano ialofana ary tsy manana ahiahy ny amin’ny mety ho hiafarany ao anatin’izany rahampitso sy rahafakampitso? Ny lafiny fanabeazana sy fampianarana manao ahoana? Mbola ny atsasa-manilan’ireo mponina ihany ve no tsy mahay mamaky teny sy manoratra sa mba efa nihena? Sa sanatria nitombo isa aza izy ireny? Santionan’ny fanontaniana manitikitika izany manoloana ny fahasahian’ny mpitondra malagasy milaza fa hafa no tokony hamaritana ny atao hoe fahantrana na fahasambarana anatin’ny firenena iray. Diso koa ve izany ny maridrefy iraisampirenena milaza fa ny firenena irlandey na ny any Costa Rica no sambatra indrindra? Sambatra sy manankarena ny malagasy sa mionona? Hita ho lany andro manamarin-tena isika fa ny tena fampandrosoana tsy hita!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Edito

  • Manaraka ho azy ny
  • Alarobia 22 Aprily 2026

vahoaka rehefa mety ny atao !

  • Isika ihany!
  • Talata 21 Aprily 2026

Mila fifanampiana ny fiainana,

  • Mila paikady matotra
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nanaitra ary avy eo nahasosotra

  • Edito
  • Zoma 17 Aprily 2026

Kajy politika!

  • Ezaka iombonana
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Na tiana na tsy tiana moa izany

  • Lany andro mifanasa vangy!
  • Talata 14 Aprily 2026

Henjakenjana ny karazana

Hijery ny tohiny
FTT